Feno 30 taona omaly ny nahafaty voatifitra ireo federalista, Laha Gaston sy ny namany, tetsy Soanierana – Ankadimbahoaka.
Nampahatsiahy ny tantara momba izany teny an-toerana ireo federalista avy ao amin’ny antoko politika Kintana notarihin’ny filohany, Tabera Randriamanantsoa, sy ny avy amin’ny antoko politika PSD, notarihin’ny sekretera nasionaliny, Eliana Bezaza. Nisy tamin’izany, hoy ny filohan’ny Kintana, ny lahadinika momba ny lalam-panorenana federaly. Nanao fihetsiketsehana tary Ambohijatovo ry Laha Gaston sy Monja Jaona hitondra izany teto. Rehefa avy eo dia niteny I Monja Jaona hoe mipetraha eto ianareo fa izao sy Laha Gaston no ho any. Niodina fotsiny izy dia avy hatrany ny tifitra variraraka ary namoizana aina olona miisa 8 teo no ho eo. 15 naratra. Laha Gaston isany maty teo noho eo fa Monja Jaona naratra ny tongony. Tsaroina anio noho izany ireo olona niady ny hametrahana ny lalampanorenana federaly teto amin’ny firenena, hoy hatrany I Tabera Randriamanantsoa, ary leran’ny hametrahana an’io amin’izay izao satria hetahetam-bahoaka io. Raha mikarakara izany ny vovonana “Etat regional” ankehitriny, hoy ny sekretera nasionalin’ny PSD, dia satria iraisan’io sy ny “Etat federal” ny fitsinjaram-pahefana. Midika izany hoe fizarana ny haren’I Madagasikara mba hitovy ny anjaran’ny isam-paritra, hoy izy. Hisitraka ny maha fanjakana repoblikanina miaraka amin’ny adidy sy andraikitra rehetra fa tsy tokony hisy atao lavitra andriana na zanak’Ikala hafa. Misy fahavalo anefa ny fitsinjaram-pahefana. Misy andian’olom-bitsy tena vonona mihitsy hamono ny Malagasy mitovy aminy ka anjarantsika vahoaka tompon’ny fahefana no mitolona ary izahay hanohy ny tolona, hoy hatrany izy ireo. Angataka amin’ny kaominina moa ireto federalista ireto mba hametraka tsangambato eo amin’ity toerana ity.
J. Mirija
Legende: Ry zareo federalista omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.