Politique

Politika eto Madagasikara Misy foana ireo sakaizan`ny mpandresy


  • Talata 24 Novambra 2020

Tsy misy tokony ho misy mahataitra intsony ny amin’ny zava-misy eto Madagasikara.

 

 


 Misy ireo ben`ny tanàna avy amin` ny antoko Tiako I Madagasikara no mandray anjara amin` ny Hetsiky ny olom-boafidy ifotony, vondron` ireo ben'ny tanana sy mpanolotsaina avy amin'ny antoko hafa sy mahaleo tena lany tany amin'ny distrika manodidina an'Antananarivo. Mbola nanao antso avo sy nitaona ireo namany mpifidy vaventy hafa izy ireo hanefa izay adidy izay. Nomarihan` izy ireo fa mitsipaka ny baikon' ny antoko TIM izay nanambara fa tsy mahazo handray anjara amin'ny fifidianana loholona ireo olom-boafidy ireo. Raha tsiahivina dia ny 18 novambra lasa teo dia namory ireo vondron’ny olom-boafidy: ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny kaominina (Collectif des élus Maires et conseillers) amin’ny faritra Analamanga ny Filohan`ny antoko Marc Ravalomanana tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM etsy Bel’Air Ampandrana. Tsy handray anjara amin’ ny fifidianana loholona ny TIM sy ny fanoherana satria tsy feno ny fepetra rehetra tokony hanatanterahana io fifidianana tsy mivantana io. Ho an’ireo olom-boafidy TIM novoriana, nambarany fa mila manaraka fitsipiky ny antoko na discipline izy ireo, mila miray hina koa. Etsy ankilany dia miroso amin` ny kajy politika samihafa ny fanjakana. Araka efa notanterina teto amin`ny gazety ny volana oktobra teo, nandritra ny fampahafantarana ireo kandidà ny volana oktobra lasa teo dia nivoitra tamin` izany fa tsy maintsy miroso amin`ny fanambatambazana ireo mpifidy vaventy ny fitondrana raha te hahazo ny maro an` isa eo anivon` ny Antenimirandoholona ary tafiditra amin`izany ny antoko mpanohitra. Nahomby ve izany ny paikady? Marihana anefa fa ny ankamaroan` ireo ben` ny tanàna sy mpanolotsaina dia tsy voafidim-bahoaka raha tsy amin` ny alalan`ny antoko. Misy mihitsy aza ireo mpifidy no manome tsiny ny antoko iray amin`ny fisafidianan` ny olona arotsaka. Mbola anjakan` ny sakaizan` ny mpandresy moa ny fanaovana politika eto amintsika ka tsy mahagaga mihisatra ny fampandrosoana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT