Politique

Politika eto Madagasikara Lasa bizina fangoronan-karena sisa


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Isan’ny olana sy tena mahavoa an’i Madagasikara ny tsy ampy kolotsaina ara-politika. Politika foana ny mitondra kanefa lasa mandrakandrana. Hafa mihitsy ilay hoe olona voataizan'antoko,

 fa ny antoko politika eto koa moa tsy hita be ihany. Mila hianarana ny politika fa tsy hoe mijery fahitalavitra sy mamaky gazety dia lasa mpanao politika. Ny tena loza dia ilay fitantanana firenena mifangaro foana amin’ny bizinesy satria mpandraharaha maro no lasa olom-boatendry sy olom-boafidy. Eo anatrehan’ny tsy fahaizana politika dia tena manesikesika sy manao rapa-dango mameno paosy sy sakaosy fa tsy mba mahonon-tena mihitsy. Ny vahoaka mitombo isa ny sahirana, fa ny manam-pahefana mitombo harena. Izay ilay tena olana fa ny kolikoly sy afera izany anie misy na aiza na iza, fa ny hadiriny sy ny fisehony angamba no tsy mitovy. Ny an’ny olona mandroso ny tanàna sy ny olombelona, fa ny eto amintsika kosa ny fahazoana seza sy fahefana toa midika ho fahalalahana mangoron-karena amin’ny endriny rehetra. Any amin’ny firenena mandroso, maro ny mason-tsivana hapatraka ho an’ireo olona handray andraikitra sy fahefana ara-politika, ary mety mila dingana maro. Eto amintsika kosa, lasa bizinesy ny fanaovana politika sy fakana fahefana, hany ka matetika no tafidi-kizo amin’ny hoe : Filoham-pirenena na olom-boafidy kianjoanjo na « par accident » matetika. Izay manam-bola na mahatsapa ho manana herijika kely azo hitarina any amin’ny politika, dia mirona amin’izany avokoa, hany ka toa lasa mivaona tsy araka ny tokony ho izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT