Politique

Politika avo lenta Misy mampiady ny Filoha sy ny Praiminisitra ?


  • Zoma 29 Janoary 2021

Ny Filoha sy ny Praiminisitra no lohany eo amin’ny firenena, ary indraindray

 

 

 


lasa mpifandrina ara-politika. Hita taratra io tamin’ireo Fanjakana sasany nandalo, ary saika avy ao anatin’ny Fitondrana no mandemy ilay Filoha na ny antokony. Porofo iray ny Fitondrana Rajaonarimampianina, izay ny Praiminisitra no lasa nifaninana taminy niampy minisitra maromaro. Ankehitriny, mety tafiditra ao anatin’ny kajy ny fampiadiana an’Atoa Andry Rajoelina sy Ntsay Christian, na koa mety hisy hatao sorona hanangonana ny rihitra. Mety miara-potehina ihany koa. Na tsy miseho mivantana aza, dia efa hita taratra ihany ny tsy fitovian-kevitra amin’ny olona samy ao anaty governemanta na samy ao anaty fitondrana. Iza no mety hahazo tombotsoa amin’izany? Misy politisianina efa miketrika hivoaka ho “héro” ao anatiny ao. Henjana rahateo ny fiodin’ny politika eto Madagasikara, ka mety tsy ho ny mpanohitra heverina ho fahavalo voalohany no ho fositra sy tena hamely ilay Fitondrana. Vao mainka io mampanahy rehefa nifanao fifanarahana tamina vondron’olona na antoko na fikambanana matanjaka iandrasana tambiny goavana ny kandida iray mba hahatonga azy eo amin’ny toerana. Mety hiseho aorian’io ny tsindry samihafa rehefa tonga eo amin’ny toerana, ho tratry ny sakana amin’ny fanapahan-kevitra. Izay nametraka teo, dia mieritreritra fa afaka manaisotra rehefa sosotsosotra, ary avy ao anatiny ihany no ampiasainy hamotika. Mbola mety ho lesoka hafa ny tsy fahamarinan-toerana noho ny mety ho lesoka na lalao maloto tamin’ny fifidianana. Mety hararaotin’ny hafa izany, ary misy foana ny hery fahatelo na fahaefatra mety ho ao anaty Fanjakana ao. Ireny ilay misoko miadana dia mipoitra tampoka rehefa vita ny tolona sy kajy mety mandeha.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT