Politique

Politika avo lenta Mifamingana ny samy mpitondra...


  • Talata 18 Aogositra 2020

Fanomezana ara-pitaovana no nataon’ny PNUD, fa tsy nisy hoe tsenambaro-panjakana, hoy ny Minisitry ny atitany teo anatrehan’ilay raharaha fampitaovana mitentina 216 tapitrisa ariary mahery, izay ity minisitra ity sy ny vadiny no manasonia ny faktiora,

ka ny iray mpivarotra amin’ny Tale ara-barotry ny orinasa iray, ary ny iray mpividy. Tsy nisy hoe vola nandalo tao amin’ny CCO, raha ny fanazavan’ity minisitra ity. Somary mahagaga ihany hoe: fifandrifian-javatra ve izany no nividianana ny fitaovana tany amin’ny orinasa iasan’ny vadin’ny minisitra? Azo ambara ho dosiem-panjakana ihany koa iny nivoaka iny, izay mazava ho azy fa olona avy ao anatiny no namoaka azy. Tsy toy ny mahazatra hoe: raha misy ny dosie manakorontana fanjakana tahaka ireny, dia mipoitra avy hatrany ny governemanta mitondra fanazavana sy miezaka mandamin-dresaka. Midika io fa tsy nisy aloha izany ny firaisankinan’ny governemanta na “solidarité governemantale” mandetika na miaro ny minisitra anankiray, toy ilay raharaha taratasy nataon’ny Minisitry ny fahasalamana tamin’ny 20 jolay. Ny minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO no niaro ny tenany. Azo raisika ho kapa ranjo na fifaminganana ao anaty governemanta, na ao anaty departemanta tantanan’ity minisitry ny atitany ity izany io fivoahana dosie io. Mananontanona rahateo ny fanovana governemanta, ka mety ho isan’ny paikady ao anatin’ny politika avo lenta ireny. Na izany na tsy izany, dia hatrany am-boalohany no tsy milamina sy niteraka adihevitra ny fitantanana ara-bola momba ny covid-19, raha tsy hilaza afatsy ny fifanoherana teo amin’ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny serasera, izay ny ankilany nilaza fa fiaram-panjakana efa teo ireo fiara ampiasaina, ary ny andaniny naneho fa novidiana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT