Politique

Politika avo lenta Miandry izay ambaran-dry Ravalo ry Rajoelina


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Hanamarika ny faran’ity herinandro ity eo amin’ny lafiny politika ny hisian’ny fikaonan-dohan’ny mpanohitra ho an’ny rantsana RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana

 izay hatao ny 23-24 jolay ho avy izao eny amin’ny By Pass. Efa iny niaraha-nahalala iny kosa ny an’ny Vondrona PANORAMA teny amin’ny Foiben’ny HVM Andraharo ny sabotsy 17 jolay teo. Ireo Vondrona roa ireo izay nifampiditra teo aloha satria nisy ny sady RMDM no PANORAMA. Vonona ny PANORAMA amin’ny fiaraha-mitantana raha misy ny fifanarahana politika mizotra makany amin’ny tombotsoam-bahoaka. Ny andaniny izay efa nanipy teny kosa fa hiroso amin’ny fidinanana andalambe dia ny RMDM araka ny fanambarana efa nataon’i Pasitera Edouard Tsaraharame, saingy andrasana ny venti-kevitra hivoitra ao anatin’ny fikatrohan-doha mandritra ny roa andro. Mety ho tafiditra ao anatin’ny politika avo lenta izay tsy misy lasitra sy raiki-pohy raikitra eto amintsika ny zava-misy, ka ny mpinamana anio mety ho lasa mpifanandrina rahampitso, ary ny mpivahavalo ara-politika anio mety ho lasa mpisakaiza aoriana. Hiditra amin’ny “alliance politique” ve ny Fanjakana Rajoelina amin’izao tsy fahamarinan-toerany izao matoa misy ny resaka avy any ivelan’ny fitondrana fa vonona amin’ny fiaraha-mitantana ao anaty fifanarahana politika? Efa hatry ny ela no nivoaka ny feo momba ny hisian’ny fanovana mpikamban’ny governemanta, saingy tsikaritra ho tsy dia tia hanaovana tsindry na koa naka toky tany amin’ny mpamatsy vola ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Ny tsy azo lavina, dia mafy ny tsindry ara-politika na koa ara-diplaomatika, ary tsy mahatafavoaka baolina ny governemanta ankehitriny. Vao miditra amina fiaraha-mitantana eo ihany koa anefa I Andry Rajoelina, dia efa tsy misy resaka velirano izany intsony eo, fa fampiodinan-draharaha sy fiomanana fifidianana no ady eo. Mety hanamarika ny tontolo politika ity herinandro ity sy io herinandro ho avy io, ary mety hiandry izay ambaran’ny RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana vao hivoaka ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana Rajoelina. Hanova governemanta sy hanao fisokafana sa mbola hifampihainohaino sy hifanasa vangy lava eo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT