Raha tsy fanonganam-panjakana mampiasa basy aman-tafondro indray angamba, dia tsy azo eritreretina intsony ny hanovana ny voka-pifidianana, ary efa mazava ny resaka izao fa i Hery Rajaonarimampianina no filoha.
Mandeha be ny feo fa efa nifampiresaka tamin ireo ankolafy politika sokajiana fa lehibe sy matanjaka ny kandidan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Fikarohana marimaritra iraisana mba hametrahana ny fitoniana politika no tanjona. Te hitantana ny firenena amim-pilaminana i Hery Rajaonarimampianina, ary mahatsapa fa any aminy ny hery rehetra, ka izay no mahatonga azy hanatona sy hiresaka, eny fa na dia amin’ireo heverina fa fahavalo politikany aza. Tsy misy mety miteny ny tena zava-nitranga marina izay rehetra anontaniana fa ny fantatra aloha dia nisy ny fihaonana. Mbola andrasana moa ny vokatry ny fifidianana solombavambahoaka sy izay mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena, dia ho hita eo raha hisy fiaraha-mitantana vaovao indray na tsia. Fa anio aloha dia hanaraka akaiky ny hitranga eny Mahamasina ny mpanara-baovao. Iza avy ny mpanao politika ho avy eny ? Misy olona niara-dia tamin’i Dr Robinson Jean Louis ve ho tazana eny na kandida nanohana azy tamin’ny fihodinana faharoa na koa mpitarika avy ao amin ny ankolafy Ravalomanana araka ny siosion-dresaka re tato ho ato izay ? Azo antoka aloha fa ho sahirana i Hery Rajaonarimampianina raha mbola masiaka fihetsika amin’ny mpanohitra tahaka ny nataon’ny fitondrana tetezamita. Hery goavana tsy azo hodian-tsy hita ny ankolafy Ravalomanana, ary raha tsy notohanany i Dr Robinson Jean Louis dia tsy azo noeritreretina ny nahatafidirany tany amin ny fihodinana faharoa. Henjana ny lalao politika ary matetika tsy takatry ny olom-pirenena tsotra ny tena misy. Anjaran ireo mpitondra sy mpanao politika kosa anefa no manazava ny zava-misy sy ny dingana arahana ary ny tanjona hotratrarina fa tsy sanatria dia avela hidanaka amin’ny tsy fahalalany ny vahoaka, na tambatambazana isaky ny hidina an-dalambe sy rehefa misy fifidianana fotsiny. Raha tsorina ny resaka dia tsy maintsy misy foana ny politika avo lenta misoko mangina any ambadika any fa tsy hoe izay hitan’ny maso sy ren’ny sofina foana akory no tena marina. Tsy maintsy misy ny fifampiresahana rehefa manao politika, fifampiresahana mira fifampiraharahana, fifampiraharana adika tsotra hoe : tombontsoa sy seza ho an’ny an-daniny sy ny an-kilany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.