Politique

PM teo aloha Solondrasana Tsy nampoizina ny fahitana azy teny Mahamasina


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Raha toa ka banga ny toerana natokana ho an’ny antoko politika maro, dia nisy kosa ny olona tsy nampoizina tazana tetsy Mahamasina omaly,

fotoana nanamarihana ny tsingerin-taona faha-62 nahazoana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Voaasa ary tonga nanatrika ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila ireo Praiminisitra teo aloha maromaro izay saika tazana teny an-toerana avokoa: toa an’Atoa Charles Rabemananjara, Monja Roindefo, Kolo Roger, Mahafaly Solonandrasana Olivier,… Isan’ny tsy nampoizina ary nanaitra an’i maro ny fahitana an’Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier izay Praiminisitra tamin’ny andron’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ity farany, izay tsy re feo intsony taorian’ny fifidianana filoham-pirenena farany ny taona 2018, nialohavan’ny faharavan’ny governemantany ny volana may 2018 rehefa nisy tolon’ny depiote 73. Isan’ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany, ary nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa. Nohenjehin’izao fitondrana izao, ary nisy mihitsy ny famohazana ireo ambara fa dosie mahakasika azy. Nilamina ve ireny raharaha ireny? Somary sarotsarotra moa ny dingana arahina amin’ny fanenjehana olona nanana andraikitra ambony tahaka itony. Efa manana antoka fa tsy ho voakitikitika ve ny tenany matoa hita sy nipoitra indray? Mbola hisafidy ny hangina sa mety efa hipoitra eo amin’ny sehatry ny politika? Ankoatra ireo Praiminisitra teo aloha moa, dia isan’ny tazana teny Mahamasina ihany koa ny ireo Filohan’ny Antenimierandoholona sasany teo aloha, tahaka an-dry Rivo Rakotovao izay efa avy filoham-panjakana mpisolo toerana, Rajemison Rakotomaharo,… Sary politika isan’ny nanamarika ny andron’ny omaly ireo, izay endrika naneho fa an’ny Malagasy rehetra i Madagasikara sy ny fetin’ny fahaleovantena, ka nanakisahana ny loko sy fijery politika tsy mitovy ho an’io omaly io.
Legende: Solondrasana Mahafaly Olivier (sisiny avanana indrindra), praiminsitra tamin’ny fitondrana HVM
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT