Tsy terena hamoaka vola amin’ny alalan’ny grevy ny fanjakana Praiminisitra eo anatrehan’ny fitakiana maro mandeha. Nambarany, fa misy fitakiana mitombina,
misy tsy mitombina ka tsy ny grevy no hanerena ny fanjakana handoa vola. Nilaza noho izany ny tenany, fa tsy mitombina ny filazana fa tsy manam-bola ny fanjakana. “Ny fitantanana ny firenena tsy kilalao, tsy hanaiky intsony ny famoaham-bola amin’ny tsy tokony ho izy ny fanjakana. Betsaka loatra ny fanodinkodinana, matoa ny Fanjakana mametraka fotodrafitrasa dia misy vola, volam-panjakana ireo. Mivoaka ny vola avy eo misy manodinkodina; miady amin’ny kolikoly isika, izay no antony hidirana amin’ny “digitalisation”, hoy izy. Hamaha olana ve ny fanambarana toa izany ? Ny any anaty fiarahamonina anefa efa tena maro no sahirana. Fa tsy mba afaka nojerena tany am-piandohana ve hoe: izay sy iza marina no tokony handray karama sy tambin-karama fa efa vita ny asa vao hoe aoka kely aloha fa misy mbola alamina. Tsy vao izao ny Praiminisitra no niresaka an’io resaka “digitalisation” io, fa efa hatramin’ny volana mey, ka efa nilazany tamin’io fotoana io, fa tsy misy olana ara-bola fa resaka fanaraha-maso sy “procedure” no mahatonga ny fahataran'ny fandoavam-bolam-panjakana. Hatramin’izao ve dia tsy mety voalamina ny resaka fanadiovana fa dimy volana aty aoriana dia mbola zavatra mitovy ihany no lazaina? Raha milaza fa manam-bola ny Fanjakana, inona no tsy handoavana ny volan’ny orinasa 230 nanao làlana manana 33 miliara Ar amin’ny Fanjakana araka ny fanambaran’izy ireo? Inona no tsy hanefana ny trosa amin’ny mpamatsy solika voalaza fa mahatratra 43 miliara Ar ? Efa hatrany amin’ny faran’ny taona 2020 na ny fiandohan’ny 2021 no niresahana ny « digitalisation » eny amin’ny anjerimanontolo ka efa ho herintaona ve tsy voalamina tanteraka ihany dia lazaina fa tsy ny vola no olana ? Ny volan’ny mpitsabo toy ny mpanao vaksiny efa misy grevy vao hikoropahana ny mamoaka azy andro alina,… Fa angaha tsy efa voafaritra mialoha anaty tetibolam-panjakana ireny rehetra ireny no iandrasana gidragidra hatrany vao ho taitra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.