Politique

PM Ntsay Christian Ombay mitady indray…


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Nangina tsy re feo intsony indray ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa Ntsay Christian tato ho ato. Tsy tena misy fampitam-baovao ofisialy momba ny asa na hetsika manokana ataony tato anatin’ny 20 andro.

Rah any pejim-baovaon’ny Primatiora, saika tatitry ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta no hita ao anatin’ny pejim-baovaon’ny Primatiora nanomboka ny 01 aprily lasa teo. Tamin’io fotoana io no nisiana tatitra farany momba ny zavatra ataony, izay nandray ny Solontena vaovaon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) teny amin’ny Lapan’I Mahazoarivo, ary ny 31 martsa izay nialohan’io no nanatrehany ny fisintahan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, ka nandritra io no nanazavany ny politika ankampoben’ny Fanjakana. Nankaiza ny Praiminisitra no tsy hita popoka tao anatin’ny 20 andro fa toa mionona fotsiny amin’ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta izany? hoy ny fanamarihana. Tsara ny manamarika fa izy no lehiben’ny fitatanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara. Nangina sa nampanginina Atoa Ntsay Christian? Ity Praiminisitra ity izay adihevitra ny fitazonana azy teo amin’ny toerany nandritra ny fanovana governemanta farany teo. Na ireo olom-boafidy IRD tahaka ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa dia nanakiana azy mivantana fa ny Praiminisitra no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana kanefa dia toa mangina eo anatrehan’ny kolikoly tsy ifankahitana eto izay lombolombon’ny tamin’ny HVM raha ny nambaran’io depiote io. Etsy andaniny, voalaza fa atahorana mafy ny fanesorana azy satria ahiana ho kandida amin’ny 2023 vao hesorina ka isan’ny malaza fa mifandray akaiky aminy ny mpandraharaha goavana iray. Eo anatrehan’ny rafitra sy ny zava-misy, azo sokafana foana ny adihevitra hoe: tena ilaina ve ny toeran’ny Praiminisitra eto Madagasikara. Io izay matetika lasa loharanon’ny krizy indrindra fa tsy mazava ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena, fa eo ihany koa ny sary mety hiseho hoe: ahiana ho lasa mpifanandrina hatrany amin’ilay Filoha am-perinasa amin’ny fifidianana manaraka, tahaka ny nahazo an’Atoa Hery Rajaonarimampianinna.

Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT