Politique

PM Ntsay Christian Lasa malok’endrika lava


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Tsikaritra ho malomakaloka endrika ny praiminisitra Ntsay Christian tato ho ato ary toa miady irery ao anatin’ny fanjakana ao. Fantatra anefa fa salama tsara tsy marofy izy.

 

Mety samy manana ny andraikitra sahaniny ny filoha sy ny ekipany ary ny praiminisitra aty an-kilany, saingy tsikaritra ho tsy toy ny taloha ny zava-misy fa tena manomboka takona na takonana mihitsy ny tenany. Mihazakazaka kosa ny serasera mbola miendrika propagandy hampalazana ny filoha. Vita iny ny fifidianana depiote, ka asa na manaporofo izao zava-misy izao fa tonga ny tsotsori-mamba hisarahan-dRajoelina sy i Ntsay Christian izay efa adihevitra be ny nametrahana azy teo taorian’ny tolon’ny depiote 73 tamin’ny aprily 2018. Nisy ireo depiote MAPAR nanda azy, saingy nifandamina ny tao anatiny avy eo. Taorian’ny fifidianana filoha farany teo, ka hanendrena praiminisitra dia efa nisy ireo namoaka feo avy ao amin’ny MAPAR fa mba efa teo sy nisitraka tombontsoa Atoa Ntsay Christian ka aleo olon-kafa indray no tendrena. Olona atokisan’ny iraisam-pirenena anefa izy, ary mety misy olona akaiky ny filoha ihany ao miaro azy. Ho hita eo ny tohiny, fa ny zavatra hita sy tsikaritra dia toa efa misara-dalana ny an-daniny sy ny an-kilany. Anisan’ny nahatarafana izany ny fitokanana ny foiben-toerana vaovaon’ny Bianco ny 21 jona teo, izay ny praiminisitra irery no manampahefana ambony nitokana izany fa tsy nisy hita na ny filoha na ireo minisitra ao anaty governemanta. Andro vitsy taorian’io anefa, dia nisy ny famoahana ilay didy hitsivolana mahakasika ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna, izay mifandraika amin’ny ady amin’ny kolikoly.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT