Raha an-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 amin` ny fizarana ho faritra roa Vatovavy sy Fitovinany dia mitohy hatrany ny fangatahana sasany amin` ny fametrahana faritra faha-24.
Taorian` ny fikambanan`ny Terak'i Ibara (FITEBA) mba hizarana ny faritra Atsimo Andrefana ho roa dia ny solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy, Keron Idéalson, indray no mangataka ny fametrahana ny faritra vaovao “Plateau Mahafaly” ho faritra faha-24. Mbola tsy nisy moa ny valin` ny fangatahana hatreto saingy efa vonona avokoa ny tolo-kevitra sy ny tolo-dalàna momba izany faritra izany ka distrika telo dia Betioky, Benenitra ary Ampanihy no handrafitra izany, hoy hatrany ity depiote ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.