Ny 15 jona 2020 no nanambaran’ny Filoha Rajoelina ny “Plan Marshall” izay
voalaza fa nanompanana vola 1043 miliara Ar hoenti-manatanteraka fotodrafitrasa, ary samy hahazo daholo ny faritra 22. Nolazaina fa isan’ny mamorona asa io. Nofaritana fa làlana vita amin’ny tara sy rarivato, ary fipasohana sy tetezana no isan’ny atao izay mirefy 1250km, toeram-ponenana sy birao ana minisitera miisa 44, Birao ho an’ny kaominina sy ny distrika ary ny faritra miisa 174,… Tena vita sy tanteraka ve izany. Raha niresaka momba ny fanamboaran-dàlana hatao amin’ny PEM izay mbola hifampiresahana amin’ny Mpamatsy vola ny Tale kabinetran’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ny 15 janoary, dia mbola tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny RN44 izay efa voaresaka tany amina programa tany aloha, ny RN13 izay efa ny 4 oktobra 2020 ny Filoha no nilaza fa tsy hanao politika intsony izy, ary tsy maintsy hatomboka amin’ity 2021 ity. Mbola tafiditra ao anatin’ny PEM indray io, ary isan’ny hilana ny ampahany amin’ny 5 miliara dolara vao hotadiavina, raha raisina amin’ny tenin’ny Tale kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika. Raha jerena amin’ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia efa ny 1 desambra 2017 no vita ny fifanarahana amin’ny fanamboarana ny RN6 sy RN13. Hatreto, tsy mazava hoe firy isan-jato tamin’ny “Plan Marshall” moa izany no vita hatreto? Tsy mifangaro voraka ve ny resaka “Plan Marshall” sy ny PEM sy ny programa hafa ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.