Politique

Pierrot Rajaonarivelo Fy ny MDM, tsy foy ny Arema


  • Talata 04 Janoary 2011

Hivory etsy amin’ny hotely kintana telo, Ibis Ankorondrano, ireo Comité Directeur Arema miaraka amin’ny Direction Collégiale Arema, manomboka rahampitso alarobia 05 janoary.

Ireo lohandohany isan’ny mpanorina ny Arema mihitsy ireto hivory ireto, raha ny filazan-dRazanakoto Norbert, iray amin’ireo handray anjara amin’io fivoriana io. Anisan’ny ho avy ao ry Vaovao Benjamin mbamin-dry Pierrot Rajaonarivelo, ity farany izay sekretera nasionalin’ny Arema, nametra-pialana avy eo naverin’ny mpikambana amin’ny toerany taorian’ny fivoriana tao amin’ny Espace Mon Goûter Andrefan'Ambohijanahary ny volana desambra 2009. Araka ny fantatra dia lasa tampoka any Toamasina any izy ny alahady teo noho ny raharaham-pianakaviana ; nanamafy anefa i Razanakoto Norbert fa hoavy hanatrika sy handray anjara amin’io fivoriana io izy. Ny avy eo anivon’ny MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) indray anefa nilaza fa raharaha manokan’ny Arema io eny amin’ny Ibis io ka tsy misy idiran’ny filoha mpitarika ny MDM.

Ho an’ny mpandinika politika kosa dia manao tan-droa i “Tonton Sôla”, fy aminy ny Arema nefa mamy koa ny MDM. Paikady politika avokoa io, izy sy ny fikambanany rahateo mihevitra ny hisedra safidim-bahoaka amin’ireo fifidianana isan’ambaratongany eny hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena koa aza. I Pierrot Rajaonarivelo rahateo manamafy hatrany fa ny fifidianana irery ihany no lalana azo antoka hiverenana amin’ny ara-dalàna. Nampandany ny Tsia tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 farany teo izy ireo ary nilaza fa nahafa-po ny vokatra na dia kely aza ny noenti-manana. Efa ampy izay ny krizy sy ny fangirifiriana, hoy i Pierrot Rajaonarivelo ka tokony ho hita amin’izay ny vahaolana hampitsaharana ny krizy. Araka ny fantatra ihany koa dia mazoto ny hiditra ao amin’ny rafitry ny tetezamita iaraha-mitantana izy.

Légende : Pierrot Rajaonarivelo, mazoto hiditra ao amin’ny tetezamita ?
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT