Nangina tsy nandrenesam-peo i Pierrot Rajaonarivelo sy ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na MDM, tarihiny, taorian’iny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 lasa teo iny, izay nitaomany ny olona hifidy ka hanao TSIA.
Mbola amin’ny alatsinainy 06 desambra moa no hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny voka-pifidianana ofisialy, saingy efa nampahafantatra ny vokatra feno hitany, niainga tamin’ny tatitra voarainy, ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, na CENI. Nandresy tamin’ny salan’isam-bato 74,19% ny ENY raha 25,81% ny TSIA tamin’ny vato manankery 3.582.554 ary 52,61% ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy. Nanana anjara biriky nahazoana io an-tsasamanila io ny MDM, izay tsiahivina fa niova hevitra tamin’ny ora farany ka nitaona ny olona ho avy hifidy raha toa ka nanambara ombieny fa sady tsy feno ny fepetra no tsy mbola amin’ny fotoanany iny fifidianana iny.
Araka ny fantatra ary dia any Frantsa any ity mpanao politika ity. Izay koa angamba no mety manazava ny fahanginany. Mbola io loharanom-baovao io koa anefa no mitatitra fa mitady fihaonana amin’ny amiraly Didier Ratsiraka ny tenany amin’izao diany any Frantsa izao. Tsy fantatra aloha hatreto ny anton’izay, fa tombanana kosa ho mahakasika ny raharaha anatin’ny antoko Arema, izay hita ho misamboaravoara be ihany hatramin’ny nahatongavan’i Tantely Andrianarivo an-tanindrazana sy ny nandrenesana filazana miverimberina hatramin’ny 01 oktobra 2010 no ho mankaty ary narahina fampiomanana fa hiverina i “Deba”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.