Sarisarinteny ihany koa no namalian’i Pierre Tsiranana mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ny kabary nifandimby teny Iavoloha momba ilay resaka sambo, ka nilazany fa tsy izay rehetra rendrika eny afovoan-dranomasina akory dia hovonjen’ny sambo mandalo avokoa.
Misy ireo tsy mendrika ny hovonjena noho ny zavatra nataony sy mety mbola hataony amin’ny hoavy, hoy ihany ity filohan’ny antoko PFDM ity, koa mila fitandremana be mihitsy ny fampiakarana mpandeha vaovao. Dia mbola nampiany hoe : «mety kelikely koa anie ilay sambo ka tsy hahazaka izao olona rehetra izao e !». Tsy azo itokisana ireo nilaza azy fa TIM efa niova fo, hoy i Pierre Tsiranana, indrindra fa ny mpiara-dia amin’Atoa isany Mamy Rakotoarivelo sy Yves Aimé Rakotoarison. Tafiditra ao anatin’ny ireo tsy tokony hakarina ao anaty sambo ireo araka ny filazany, satria mety hitarika korontana ka hampisavorovoro sy mety haharendrika mihitsy ny sambo aza.
Ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana koa moa dia misy efa nilaza ihany fa tsy azo ekena koa raha toa ka sambo piraty no misora-tena ho mpanavotra ; fa mety ireo tatsambo piraty mihitsy aza no hanafika sambo sy handrendrika ary hamono ny mpitaingina rehetra tsy mifanara-tsaina aminy na tsy manaiky ny didy jadona ataony. Efa hatramin’ny herintaona nisian’ny fihaonambem-pirenena sy ny dinika politika teny Ivato no nilaza ity mpanao politika ity fa tsy mankasitraka mihitsy ny hiara-kiasa amin’ny Tiako i Madagasikara sy ireo rehetra, tsy an-kanavaka nifampikasokasoka tamin’i Marc Ravalomanana satria aminy dia mpamadika tanindrazana sy mpangoron-karena ary mpamita-bahoaka izy ireo.
Tsara homarihana anefa fa anisan’iero mpanao politika voalohany tonga nanohana an’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey i Pierre Tsiranana tamin’ny 2002, ary rehefa tafita ny tolona dia voatendry ho PDS-n’ny faritanin’i Mahajanga ny tenany. Maromaro ihany anefa ny tsy fetezan-javatra nandritra ny fotoana nitantanany ny faritany koa dia nosoloina ny kolonely Toto Vincent, izay any am-ponja amin’izao fotoana izy. Taorian’izay dia nanomboka nivadika ho mpanohitra an’i Marc Ravalomanana i Pierre Tsiranana ary tsy nitsitsy fitenenana mihitsy. Ankehitriny, na dia efa mizotra any amin’ny fiaraha-mitantana aza ny eto amintsika dia tsy mbola niova hevitra ity mpanao politika ity fa dia tsy mila ny olon-dRavalomanana sy ny TIM miditra ao anatin’ny tetezamita. Tsy nasiany teny kosa ny amin’ireo mpomba toa azy ny FAT, mihazakazaka mihaona amin’ny iraky ny SADC. Koa miandry ny mety ho fihetsik’i Pierre Tsiranana ny maro hoe hametra-pialana ve izany izy rehefa tafiditra ao amin’ny CST sy ny CT ary ny governemanta ny olon’ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana, sa mba vonovorona fotsiny no ataony amin’izao fotoana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.