Tsy misy Arema roa karazana izany fa iray ihany ny antoko, saingy noho ny tsy fahamatoran’ny paikady politika nampiasaina ka tsy nahitana fahombiazana firy no nahatonga anay hanangana ny Arema Matotra, araka ny fanambaran’Atoa Pierre Raharijaona.
Iray ihany ny Arema raha ny antontan-taratasy any amin’ny ministeran’ny atitany no jerena, araka ny nambarany. Nanamafy izy fa hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola ny tenany ihany aloha, no mitantana ireo Akanin-jaza miisa 18 eto Antananarivo renivohitra izay natsangana tany amin’ny taona 80 mba ho fitsinjovana ny zanak’ireo olona sahirana. Raha ny fahitana azy dia toa milaza an-kolaka izany ity mpanao politika efa voafidy in-telo miantoana ho solombavambahoaka ity fa tsy nisintaka velively tamin’ny antoko natsangan’ny amiraly Ratsiraka izy sy ireo mpanara-dia azy ao anatin’ny Arema Matotra.
Mety paik’ady politika ihany koa anefa ny fahitan’ny mpanara-baovao azy, satria manomboka mifoha ny Arema amin’izao fotoana ary mety hiverina amin’ny heriny tany aloha indray koa aza dia efa manao pi-maso sahady i Pierre Raharijaona, izay tsy mitaingina soavaly maty, tahaka ny ankamaroan’ny mpanao politika. Nanohana an’i Marc Ravalomanana izy, saingy tsy nety nahazo toerana, anisan’ireo nankato ny fanovana nentin’i Andry Rajoelina ihany koa izy, saingy voatsipaka am-bavafo ka tsy anisan’ireo voatendry tao amin’ny CST na ny CT ka nimenomenona tetsy sy teroa. Fa mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny kosa dia nambaran’ity mpitarika ny Arema Matotra ity fa tsy tokony hifampiandriandry izany intsony fa irosoana haingana ny fametrahana ireo rafitra rehetra ao anatin’ny Repoblika faha-4 ary mila ampiharina araka ny tokony ho izy ny fifanarahana politika natao teny Ivato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.