Politique

Pety Rakotoniaina “Raharahan’olon-droa no mibahan-toerana eto”


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Tsy vahaolana ny firosoana amin'ny fifamonoana, tsy vahaolana ny fiziriziriana fahatany na amin'ny andaniny na amin'ny akilany

 

 

 fa ny firosoana amin'ny fifampidinihana andinihana ny aretina fototra ary hamahana izany no tombotsoa ambony ny Firenena, hoy i Pety Rakotoniaina tao amina fahitalavitra iray ny faran’ny herinandro teo. Vonona amin'izany ny Antoko MFM ary efa manana ny hevitra hampanjariana izany. Tsy sasatra ny mamerina hoe mila sata ifanarahan'ny Malagasy ny Firenena izay anisan'ny mampisy sy mampiverimberina krizy ny sata nisy hatrizay satria hala-tahaka sy terem-bazaha. Tsy sasatra ny mamerina hoe tsy ilaina ny fivangongoam-pahefana, fa mampiady fa tokony haparitaka amin’ny Faritany, Faritra, Kaominina, Fokontany. Tsy sasatra ny mamerina hoe Lalàm-pifidianana ifanarahan'ny Malagasy. Sata ifanarahan'ny Malagasy ny itantanana ny harem-pirenena satria io ihany no antoka hisian'ny fandrosoana. Mitady hibahan-toerana ho raharahan'olon-droa no hita amin'ny politika ankehitriny fa tsy raharahan'ny Malagasy rehetra, hoy i Pety Rakotoniaina.

TSY EKENA NY FAMONOANA MPIANATRA

 Atao avokoa izay tsy hianaran'ny ankizy, nahoana no miandry fitakiana izay vao tonga saina ny tompon'andraikitra. Zavatra tsy tokony hiseho ireny tany Toamasina ireny, na inona na inona fanazavana entina tsy ekena ny famonoana mpianatra. Matoa miteny ny olona dia misy tsy mety izany ny fomba fitantanana ilay firenenaka, misy noho izany ny zavatra tokony ovaina. Akehitriny nidina ho 92% ny farim-piainan'ny Malagasy izany hoe vao maika miha mahatra hatrany. Eto Madagasikara dia tsy misy ny tamberin'andraikitra ary dia olon-tokana no lasa mifehy izany. Ny mampalahelo dia ireo "acteur de développement" dia tsy misy manisy lanjany kanefa izany no tena fototry ny fampandrosoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT