Politique

Pety Rakotoniaina Nisafidy ny hangina tanteraka


  • Talata 18 Janoary 2011

Nisafidy ny hangina mihitsy taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka, nahitana azy farany nanao propagandin’ny Eny ny PDS-n’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina.

Raha araka ny filazany azy tamin’ny mpanao gazety dia tsy voatery hiteny foana ny mpanao politika, fa misy fotoana natao mba hanginana, misy ny hiasana. Mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny dia tsotra ny ambarany manao hoe : «rehefa mipetraka ny rafitra eken’ny rehetra sy handamina ny fiainan’ny vahoaka dia izay izany no izy». Ho an’ireo toky sy fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita kosa dia enga anie mba ho tanteraka tokoa izy ireny, hoy i Pety satria ny fahavitana asa tahaka izany no andrasan’ny vahoaka. Tsikaritra ho tsy be resaka tahaka ny taloha intsony ity gadra politika navoakan’ny FAT tamin’ny 21 martsa 2009 ity fa dia mitandrina amin’izay rehetra aloaky ny vavany.

Notsipihany mazava mantsy raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy, fa sarotra ny toe-draharaha amin’izao fotoana, koa mety misy fehezanteny ambara, mety hanakorontana ny raharaha, koa mba hisorohana an’izay dia aleo mangina mihitsy aloha. Tany am-piandohana dia niara-dia tamin’i Voninahitsy Jean Eugène tao anatin’ilay vondrona politika antsoina hoe Les «AS» ity PDS-n’i Fianarantsoa renivohitra ity, saingy tsy hita niseho sehatra intsony izy nony taty aoriana. Nandeha mihitsy aza ny feo nanomboka tamin’izany fa toa hoe : tsy dia mifankahazo tsara intsony izy mirahalahy ireo, izay samy mpanohitra mavaivay ny fitondrana teo aloha.

Raha nambara fa hotanterahana ny 20 desambra 2010 ny fifidianana Ben’ny tanàna dia efa nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany izy, ary milaza ny ho vonona foana na rahoviana na rahoviana hanaovana ny fifidianana. Araka ny lalàna manankery eto amintsika anefa dia tsy afaka milatsaka hofidiana i Pety Rakotoniaina satria efa voaheloky ny fitsarana, saingy afaka miova izany rehetra izany raha lany sy ampiharina eto ny famotsoran-keloka. Ankehitriny, araka ny filazany ihany, dia milofo tanteraka amin’ny fampandrosoana ny tanànan’i Fianarantsoa ingahy Pety Rakotoniaina, ary eo am-pandrafetana ny drafitrasa hotanterahana amin’ity taona ity izao ny ao an-drenivohitr’i Betsileo ao. «Miasa izahay fa tsy be resaka”, hoy izy namarana ny fanazavany.

 
sary : Nangina tanteraka i Pety Rakotoniaina mivady efa ho telo volana izay
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT