Nanamafy ny filohan’ny APRN (Association pour la Paix et la Refondation de la Nation) Pety Rakotoniaina fa fotoanan’ny fampihavanam-pirenena izao.
Ampy izay ny fametrahana an-dRavalomanana Marc ho fahavalo fa izay hanarenana ny firenena aloha no himasoana maika. Ny tena mampalahelo, hoy i Pety Rakotoniaina dia ny fizahozahoan’ireo sasany izay milaza fa nitolona. Tsara anefa ny mampahafantatra fa tsy vao ny taona 2009 no nisian’izany tolona izany teto Madagasikara fa efa tamin’ny taona 1972 nefa tsy mbola nisy nahasahy nanao izany fitondran-tena manilikilika ny hafa izany. Na ihany koa manao fihantsiana mivantana tahaka izao vanim-potoana izao. “Ajanony ireo zavatra rehetra manakantsakana ny asan’ny filoha amin’izao fotoana izao fa avelao izy hiasa. Avelao hametraka izay olona afaka hiaraka hiasa aminy ny filoha Rajaonarimampianina Hery”, hoy i Pety Rakotoniaina nandritra ny valandresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly tolakandro tetsy amin’ny Motel Anosy. Nambarany fa ilaina ny fanitsiana ny lalàmpanorenana mialoha ny faran’ny taona fa anisan’ny mitarika korontana eto amin’ny firenena ary lasa sakana amin’ny fampandrosoana.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.