Politique

PDS Guy Rivo Randrianarisoa Nataon-dRajoelina tsy hita tabilao


  • Alarobia 15 Desambra 2010

Misokatra ho an’ny besinimaro ankehitriny ny Lapan’ny Tanàna vaovao etsy Analakely, ny tena marina dia ireo fampirantiana sary sy ny tantaran’ny tanànan’Antananarivo no tena azo tsidihana ao, ankoatra ny fijerena ny trano vaovao, saingy tsy azo atao kosa ny miditra any anatin’ireo birao maro samihafa.

Ny nanaitra ny mpitsidika dia ny tsy nahitana ny sarin’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa izay PDS-n’ny Kaominin’Antananarivo renivohitra voatendry tamin’ny 3 martsa 2009 teo amin’ny ilay sary goavana ahitana ireo Ben’ny tanàna sy PDS rehetra nifandimby teto. Hita tsara ao anefa Rtoa Michèle Ratsivalaka, izay notendren’i Andry Rajoelina hisolo toerana azy (?) ny 4 martsa 2009. Mahagaga sy mahatalanjona ihany io finiavan’ny mpitondra amin’izao fotoana hamafa ny tantara io, satria na inona na inona ambara dia efa nitantana ny teto an-drenivohitra Atoa Guy Rivo, na herinandro, ary samy voatendry tao anatina vanimpotoana mamaivay sy niatombohan’ny krizy izy sy Rtoa Ratsivalaka.

Ka nahoana moa no niniana nodinganina izao izy ary tsy nahazo ny anjara toerana sary ao amin’ity Lapan’ny Tanàna vaovao ity, hoy ireo olona efa nitsidika ny teny Analakely. Raha raisana indray ny araky ny lalàna, dia ny fanendrena an’Atoa Guy Rivo aza no marina sy mitombina kokoa noho ny fanendren’i Andry Rajoelina an-dRamatoa Ratsivalaka ho mpisolo toerana azy. Ny Governemanta tamin’ny alalan’ny ministeran’ny atitany no namoaka didim-pitondrana nanendry an’i Guy Rivo R. ho PDS-n’Antananarivo renivohitra rehefa hita sy voaporofo fa variana tamin’ny zavatra hafa ary tsy nahafeno ny andrikitry ny maha Ben’ny tanàna azy i Andry Rajoelina.

Ankoatr’izay dia ny 17 martsa vao nisy ilay nambara fa taratasy famindrana ny fahefana amin’ny miaramila, nosoniavin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Izany hoe mbola nijoro ny fitondrana notarihany mialoha an’io ary ara-dalàna avokoa ny fanapahan-kevitra ara-panjakana rehetra noraisina. Ary raha ny tena marina koa dia matetika misy olana na krizy mandalo matoa manendry filohan’ny delegasionina manokana hitantana Kaominina iray ny fitondrana foibe, ka tokony hitovv daholo arak’izany rehefa PDS fa tsy misy hafa na miavaka izany. Nilaza ho ren-tany ho ren-danitra i Andry Rajoelina teny Anatirova ny sabotsy 11 desambra 2010 maraina mialoha ny nidinany teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely fa te hahafantatra ny tantara izy amin’ny maha tanora azy satria zava-dehibe loatra izany, ary tokony tsy ho vahiny amin’izany ny taranaka fara mandimby. Raha ny fahitan’ny maro azy anefa dia toa tantara hafahafa no tadiavin’i Andry Rajoelina apetraka ho an’ny tanora amin’izao fotoana, ka ny misy atao tsy misy, ny tsy misy lazaina fa misy.

sary :Tsy hita tao anaty tabilao i Guy Rivo Randrianarisoa, izay mpitondra tenin’ny Ankolafy Ravalomanana tao anatin’izao dingana famahana ny krizy izao
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT