Politique

Paul Rafanoharana - « Apollo 21 » “Maro ireo olona akaiky ny Filoha niresaka tamiko”


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly 07 desambra ny raharaham-pitsarana ireo olona 20 voarohirohy tamin’ilay rahataha “Apollo 21”

 na fikasana hamono ny Filoham-pirenena. Nohenoina voalohany ilay Kolonely Frantsay misotro ronono dia I Paul Rafanoharana omaly. Niaiky ny tenany fa izy no namolavola sy nanoratra ny taratasy miraikitra ny teti-bola rehetra ilaina tamin’ny raharaha “Apollo 21”, izay manodidina ny 10 tapitrisa euros teo. Nolaviny tanteraka kosa ny filazana fa nisiana fikasana hamono ny Filoham-pirenena na hanongam-panjakana, izay nolazainy fa tsy tao anatin’ny eritreriny. Tsy tetikasa na “projet” iny, hoy izy, fa eritreritra fotsiny amin’ny tetibola mety ilaina. Tsy misy paikady sy tetiandro mazava ny momba izany, hoy izy. Nambarany fa tsy nahalala ny fisian’ireo basy tratra tao an-tranony. Nambarany kosa fa tsy fantany ny fisian’ilay basy tratra tao aminy. Nolazainy amin’ny maha zandary azy, fa tsy tahaka ireny ny fitaovana ampiasaina raha hamono Filoham-pirenena. Nilaza kosa ny tenany fa saika hividianana volamena 5kg hamidy tamin’ny Banky Foibe ilay vola 900 tapitrisa.
NIOMBON-KEVITRA TAMINY IREO OLONA AKAIKY NY FILOHA
Nanitrikitrika fa tsy nieritreritra ny hamono ny Filoha, fa ny hanao izay ahafahany miasa malalaka hampandroso an’I Madagasikara. Hanadio sy hanaisotra ireo sokajiany ho “mafia” olona manelingelina ny Filoha tsy ahafahany manatanteraka ny fampandrosoana no nolazain’i Paul Rafanoharana, kanefa tsy amin’ny alalan’ny famonoana. Ny toerana ho masoivoho no efa nifanekany tamin’ireo olona akaiky ny Filoha satria nilaza ho efa niresaka tamin’I Naina Andriantsitohaina fony ity minisitry ny raharaham-bahiny ny tenany, hoy izy. Mba ahafahana manadio ireo tambajotrana mafia manodidina ny Filoha, dia nieritreritra ny ho Praimiminisitra anefa I Paul Rafanoharana. Nilaza fa efa niresaka tamin’ireo tandapa, toa ny Tale Kabinetra Lova Ranoramaro, Patrick Rajoelina izay mpanolontsain’ny Filoha talohan’ny naha minisitra azy, I Sareraka izay tan-dapa akaiky ny Filoha sy ny maro hafa. Herinandro nialohan’ny nisamborana azy, betsaka ny olona nifampiresaka azy momba ny ho fanendrena azy ho Praiminisitra. Samy niaiky ireo olona akaiky ny Filoha, fa mila diovina ny manodidina ny Filoha, hoy I Paul Rafanoharana. Niaiky ny tenany fa niresaka sy nanatona orinasa mpitranga solitany. Tsara moa ny manamarika, fa resaka fitrandrahana solika no anton’ny « bagare », hoy i Sareraka izay nilaza fa misy tan-dapa sy borizano mandoto ny Filoha. Nanitrikitrika kosa ny Mpitory etsy andaniny, fa efa voarakitra an-taratasy nosoratan’I Paul Rafanoharana ny andinindiny sy ny tetikady mikasika ilay raharaha fikasana hamono ny Filoha. Nambara fa ahiana ho orinasa tsy tena miasa, fa natao hanakonana ny paikady sy ny vola hamatsiana ny Apollo 2021 ny orinasa Tsara First an’I Paul Rafanoharana. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT