Na ho an’ny mpanohitra na mpanohana fitondrana io satria mihazakazaka be, hoy izy. Fifidianana hahafahana mamarana tanteraka ny krizy 2009 io.
Izay tsy tafavoaka amin’ny taona 2023 dia ho tapi-dalan-kaleha amin’ny resaka politika. Tsy nivadika ho krizy politika ny krizy ekonomika sy sosialy. Ny dikan’izay dia voafehin’ny fitondram-panjakana iny lafiny iny hatreto. Ny resaka hoe famadihana ho sehatra tsy miankina ny orinasam-panjakana dia hitako hoe tokony mbola tohizana satria tsy anjaran’ny fanjakana ny mitantana orinasa. Ny mpandraharaha no afaka mandraharaha fa raha vao ny fanjakana no mandraharaha dia sady tsy misy tompony io no tompony daholo ny rehetra dia manjary mitotongana toa an’io Air Madagascar io. Iarahantsika mahita ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka ny vahoaka ihany no afaka mandidy sy manapaka ny amin’ny hoe iza no tokony hitondra? Hanome fotoam-piasana ho an’ny mpitondra ankehitriny ve izy sa ho ana mpitondra hafa? Very eo amin’ny sehatra politika izay tsy mitondra amin’ny 2023. Mbola resaka hafa mihitsy ny vahaolana maharitra eto amin’ny firenena fa ny tsy fisiana krizy politika aloha dia efa isan’ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.