Politique

Paul Rabary « Tsy vitan’ny vahaolana maimaika ny fiainam-bahoaka”


  • Zoma 06 Aogositra 2021

« Mbola hihamafy anie ny krizy eto e, isika manafatra entana foana. Rehefa ny vahoaka no diso fanantenana amin’ny mpitondra dia izay no miteraka tsy fitoniana.

Fiainam-bahoaka tsy vitan’ny Tip top, na maimaika ka hoe isaky ny misy olana dia hizara zavatra amin’ny vahoaka”, hoy ny Minisitry ny fanabeazana teo aloha sady mpahay fiarahamonina omaly raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagagascar. Ny resaka Vatsin’Ankohonana tamin’ny fitondrana HVM izao no tsy nampitovy hevitra ahy tamin’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy mihitsy, hoy izy. Nambaran’ity Minisitra teo aloha ity, fa tsy mety izany “politique d’assistant” izany ka hoe zarinao zarainna zavatra kanefa tsy miasa ny olona, tena mampiady sy manakorontana fiarahamonina izany. Rehefa mihafy dia samy mihafy. Vahaolana amiko : avereno ny fahafahan’ny olona mivezivezy, ny olona rehetra io fa tsy hanavakavahana. Tsy misy olona adala ka hoe ho avy aty Madagasikara fa te hizara aretina, efa niaro tena izy matoa sahy manao fizahantany ; isika eto Madagasikara manana raokandro, ny sakafontsika mbola “Bio” tsara daholo, mafy ny hery fiarovan’ny Malagasy, hoy hatrany I Paul Rabary. Nahitsy izy naneho hoe: fehezo ny harena, fehezo ny sisin-tany, aoka tsy hiady hevitra amina zavatra kely mandeha, resaka volamena 73 kilao indray mandeha ve no hiadian-kevitra be, tena miesona isika ary tsy tokony handany andro hiady hevitra amin’izany fa apetraho mazava tsara fotsiny ny tanjona hoe 1 na 10 taonina isan-taona ny volamena tafiditra ao amin’ny banky foibe ohatra dia efa mazava izany. N’aiza n’aiza mandeha foana ny trafika fa ny tena mampalahelo anie dia isaky ny misy zavatra tafavoaka eto ka hoe tratra vao tonga saina fa manankarena i Madagasikara. Ny fotodrafitrasa azo atao foana, fa ahoana ilay fiainam-bahoaka? Tokony dinihana tsara sy hijerena vahaolana. Matetika isika variana amina zavatra tsy izy ka io no araraotin’ny mpanao politika fetsy mitarika olona hidina an-dalam-be sy hampanonofy olona dia roboka isika, hoy I Paul Rabary.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT