Politique

Paul Rabary “Tsy misy fanonganam-panjakana atahorana eto”


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Eto Madagasikara tsy misy atahorana fanonganam-panjakana na mety misy manana eritreritra an’izay aza, hoy ny Mpahay fiarahamonina sady minisitra teo aloha Atoa Paul Rabary omaly tao amin’ny fahitalavitra Real TV.


 Nambarany fa efa nahazo lesona tamin’ny 2009 toy ny tsy fahazoana famatsiam-bola, tsy fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena,… isika. “Tsy hitako izay atahorana, fa izay mieritreritra hanao fanonganana eo dia tsy hahazo fankatoavana, tsy hahazo famatsiam-bola, ka amin’izao fahasahiranana izao ve no hidi-kizo hanongam-panjakana kanefa tsy misy vola. Naman’ny midi-kizo izay manao izany”, hoy izy. Nilaza kosa izy, fa mampikorontana ny firenena ny fiziriziriana eo amin’ny fitondrana sy ny fifidianana tsy azo itokisana. Efa niseho izany ny taona 1991, 2009,... raha ny fanehoan-keviny. Ny Apollo 21 hafa mihitsy, mety nanana eritreritra ilay olona saingy tsy za-draharaha na “amateurs” lehibe ilay olona. Hanongam-panjakana ve ianao dia handefa “mail”, hoy ity mpahay fiarahamonina ity. Efa nahazo lesona tamin’ny tantara ny Malagasy, ary toa aleony aza manaiky lembenana eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana miteraka fahantrana lalina rehefa dinihina ny zava-misy. Hararaotina amin’izay toetra lasa voavoly ao anatiny noho ny zava-nisy sy ny tantara izay ve anefa ny vahoaka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT