Politique

Paul Rabary Tsy mieritreritra ny hiverina ho minisitra


  • Alarobia 10 Jona 2020

Maro ianareo mpampianatra no manoratra aty amiko ny hetahetanareo hiverenako indray eo amin’ny fitantanana ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, hoy ny hafatry ny minisitra teo aloha, Paul Rabary.

 

 

 

 

 Hitako koa ireny alefanareo amin’ny Facebook ireny. Isaorako ianareo ny amin'ny fahatsapanareo ny asa niarahantsika nanao. Ankasitrahako koa ianareo izay manembona ny fiaraha-mientantsika tamin'ny fanasoavana ny zaza Malagasy. Ary mahatsiaro manokana ireo mpampianatra Fram 40.000 izay nampidirina ho mpiasam-panjakana sy ireo izay mbola miandry sy manantena ny anjarany. Tiako anefa ny manamarika fa tsy tanjona ny politika fa dingana eo amin'ny fiainana. Tsy mangataka, tsy maniry ary tsy mieritreritra akory ny hiverina eo amin'ny Ministera ny tenako. Mpampianatra mpikaroka eny amin'ny Oniversiten’Antananarivo aho amin'izao fotoana izao, hoy hatrany i Paul Rabary, koa adidiko ny mijoro, mitondra, mizara ny vokatry ny fikarohana amin'ny sehatra rehetra ilana izany. Andraikitro koa ny manofana ireo solofo dimbin'ny ala eo amin'ny fitantanana ny firenena. Raha nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena aho dia manana ny foto-kevitra ijoroako dia ny fahalalahan'ny daholobe hisehatra eo am'ny lafiny ara-toekarena, ary saropiaro kosa amin'ny kolontsaina, foto-pisainana, soatoavina ary ny Hasina maha- Malagasy sy izay lova navelan'ny Razantsika. Misy fotoanany ny zavatra rehetra, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT