Tsy mbola tafapetraka araka ny tokony ho izy ny Repoblika IV, araka ny filazan’i Paul Rabary, zana-dRabary Mathilde azy. Izy moa dia manampahaizana momba ny fiarahamonina ary anisan’ireo manara-maso akaiky ny toe-draharaham-pirenena.
Sady tsy ampy ny rafitra no tsy voafidy ny olona hitantana izany, araka ny filazany ihany. Nanamarika izy fa mbola olom-boatendry daholo no mandrafitra ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao fotoana, ary tsy voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika i Andry Rajoelina filohan’ny tetezamita, ka noho izany dia tsy mbola tafajoro ny Repoblika vaovao satria tsy feno ny fepetra rehetra hahatanteraka izany. Nanohy ny fanazavany ihany ity manampahaizana ity ary nilaza fa hita ho be fahefana ny filoham-pirenena ao amin’ilay lalàmpanorenana voafidy tamin’ny 17 novambra, ary ny fisian’ny filoha voafidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana demokratika madio sy mangarahara no mariky ny fijoroan’ny Repoblika, ka rariny loatra araka izany, hoy ihany izy raha ny filoham-pirenena no fidiana aorian’ny nahalany ilay lalàmpanorenana.
Raha tsy izany mantsy, araka ny nambaran’i Paul Rabary dia mandringa ihany ny fitantanana ny firenena, satria raha alefa mialoha ny fifidianana solombavambahoaka, na Ben’ny tanàna, dia tahaka ny hafahafa ihany raha olona tsy voafidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana no ho filohan’izy ireo. Ekena, hoy izy fa filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina saingy hanahirana eo amin’ny lafiny politika ihany raha izy no hitantana sy hibaiko olona an-jatony voafidim-bahoaka afaka volana maromaro. Manamafy ary ity manampahaizana momba ny fiarahamonina ity fa handamina kokoa ny fametrahana miandalana ny Repoblika IV ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fifidianana ambiny rehetra tsy maintsy atao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.