Politique

Paul Rabary Tsy mankasitraka ny famotsoran-keloka politika


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Tahaka ny mahazatra dia maro be hatrany ireo fanehoan-kevitra manodidina ny raharaha politika amin’izao vanim-potoanan’ny fifanatonana sy ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafy mpifanandrina izao.

Ho an’i Paul Rabary izay manampahaizana momba ny fiarahamonina dia mety ny fahitany ny fifampidinihana ary tokony hanara-penitra sy hanaraka ny dingana rehetra izany. Ary ny tanjona dia ny ahitana vahaolana eken’ny rehetra hivoahana amin’izao krizy izao ; aminy anefa dia tsy tokony ho tetika mba hanitarana ny tetezamita sy handaniana andro amin’ny ady seza sy fizarana toerana fotsiny izany adihevitra sy fivoriana etsy sy eroa izany. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tokony hojerena, araka ny filazany, fa tsy ny tombontsoan’ny antoko na ankolafy politika.

I Paul Rabary ihany koa dia anisan’ireo tsy mankasitraka mihitsy ny hanaovana ny famotsoran-keloka, tahaka izao indrindra ny fanohanany izany heviny izany : «Fa nahoana moa no azo kosehana sy fafana isaky ny misy krizy ny heloka na fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika, kanefa tsy mba mahazo izany ny olon-tsotra. Tsy azo atao fifanarahana politika ny famotsoran-keloka fa tokony hapetraka amin’ny fitsarana, ka araka ny lalàna velona no hanaovana azy, satria tsy rariny ary tsy mety kosa raha olona mihosin-dra ny tanany na nanodinkodina volam-panjakana no hafahana madiodio».

Notsipihiny mazava anefa fa fitsarana madio sy tsy mitanila no manadihady sy manatanteraka izany ary manana ny fahefana rehetra, tsy tokony hisy ihany koa ny fanavakavahana, araka ny nambarany ihany fa saziana araka ny lalàna izay nanao ny tsy mety rehetra, na mpitondra izy na mpanohitra, na mpanao politika na mpandraharaha, na iza na iza. Mila apetraka mazava eto amintsika ny fahefam-pitsarana tsy hidikidiran’ny fahefana mpanatanteraka, hoy ihany izy nanohy ny fanazavany ka azo toriana sy tsaraina manoloana izany avokoa ny olon-drehetra, amin’ny fotoana rehetra raha vao hita sy voaporofo ny fandikan-dalàna nataony, ary ialana amin’izay ity fitsarana manaraka ny lokon’izay mpitondra mahazo fahefana ity.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT