Ilaina isika mivoaka amin’ny fepetra ara-pahasalamana satria ny Covid 19 dia toy ny aretina rehetra.
Ny filoha amerikanina izao avy tratra. Izany hoe tsy misy afaka hihambo hoe tsy ho tratrany. Mitsabo tena ianao dia rehefa tsara vintana dia tafavoaka soamantsara. Raha tsy izay moa izany dia Andriamanitra no tompon’ny aina. Ny zava-dehibe dia hoe raiso toy ny aretina rehetra io. Misy ny fitsaboana. Misy ny fiarovana. Anjaran’ny tsirairay no tsy maintsy miaro tena mba tsy hiverenan’ny aretina. Tsy ny Covid ihany fa ny aretina rehetra. Toy ny hoe te hiaro tena amin’ny homamiadana ianao dia tsy mifoka sigara. Miaro amin’ny aretin’aty dia tsy misotra toaka. Tsy ny Covid no tokony hampijanona ny raharaham-pirenena na raharahan-toekarena sy sosialy sy ny rehetra. Tsy fiainana ny Covid fa aretina eo amin’ny fiainana. Mila miezaka mameno ny banga rehetra ny olona satria nisy banga be teo amin’ny sehatra misy azy. Tsy midika ihany koa akory, hoy hatrany ny tenany, fa rehefa misy ny hahamehana dia tsy misy ny demokrasia. Zavatra iainana isan’andro io ary tomponandraikitra ao ny olona rehetra. Tsy midika ho jadona ny fametrahana fitsipika fa eo fotsiny ilay hoe hatraiza no hahazakan’ny olona izay fitsipika izay dia hatraiza no hahazakan’ny mpitondra tsikera? Tsy misy demokrasia tonga lafatra fa manahirana io. Zavatra iainana io ka noho izany mila samy tompon’andraikitra ny rehetra. Tsarovy fa tsy ho mandrakizay no eo akory ny mpitondra, anjarany noho izany no mandanjalanja ny fanapahan-keviny sy ny zavatra ataony , hoy i Paul Rabary.
. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.