Efa nahavita adidy teto amin’ny firenena aho ka tsy hiverina ho mpikamban’ny governemanta izany,
hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, manoloana ny feo mandeha fa mieritreritra ny hiverina amin’izany izy. Aleo anjaran’ny hafa indray. Manoka-tena amin’ny maha mpiasam-panjakana amin’ny fampianarana ireo solofo handimby ny ala isika amin’izao fotoana izao fa tsy amin’ny fitantanana raharaham-panjakana intsony. Misy harena eto Madagasikara ary porofo mivaingana iny raharaha volamena farany teo iny. Ny zava-dehibe indrindra raha te hampandroso firenena dia ny fahaizana mifehy ny harentsika. Tsy hiditra amin’ny raharaham-pitsarana aho. Fomba fijery hafa no hitondrako azy hoe raha hiatrika fampandrosoana, fiakaran’ny vidin’entana, fanaovana fotodrafitrasa, fiezahana hampandroso ny lafiny sosialy, ny resaka hopitaly, fampianarana, kolontsaina dia mila enti-manana. Efa niangaran’Andriamanitra amin’ireo harena tsy hita pesipesenina eto Madagasikara isika fa ny olana dia tsy voafehintsika ilay izy. Ny fifehezan’ny fanjakana sy ny banky foibe ny harem-pirenena no tena laharam-pahamehana eto, raha iny zava-niseho iny. Tsy ny resaka 74 kilao no olana fa ny aman-taoniny aman-taoniny. Izay no mila fehezina fa rehefa voafehintsika izay dia afaka manao ny tetikasa rehetra isika, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.