Politique

Paul Rabary “Tsy afaka mitondra tsy misy mpanohitra ny mpitondra”


  • Alakamisy 11 Martsa 2021

Efa mianatra sy miezaka ny ho tafiditra ary manatsara ny demokrasia isika, raha adika tsotra ny fihetsiketsehana

 

 

 

nitranga tato anatin’ny herinandro, hoy ny mpahay fiarahamonina, Paul Rabary. Adihevitra mafana hanekena ny tsy fitovian’ny olona miady hevitra tsinona no atao hoe demokrasia. Tsy mitovy fomba fisainana sy fijery mikasika ny raharaham-pirenena. Manaiky izany ny demokrasia. Nanomboka tany amin’ny hetsiky ny Miara-manonja toherin’ny Tambatra ka hatramin’ny fitokanan’ny filoham-pirenena, Kianja fampiadiana akoho io, raha ny fanazavany. Anjaran’ny fanjakana ny mitandro ny filaminana. Samy nandray lesona ny mpitondra sy mpanohitra. Tsy afaka mitondra irery ny firenena tsy misy mpanohitra ny mpitondra satria fifidianana no niakaran’ny mpitondra teo ary izy no lanim-bahoaka fa misy ny tsy lany. Ny tsy lany dia mijoro ho mpanohitra sy mpitsikera. Tsy tokony heritreretina izany hoe hanongam-panjakana. Anjaran’ny mpitondra no mitandro ny filaminana satria tsy misy azo omena tsiny ankoatra azy raha misy korontana eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT