Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.
Izay no nanekena azy hanjaka, handidy sy hanapaka teo amin’ny Fanjakana. Ary izay Hasina izay no mampifamatotra azy sy ny olona entiny. Tsy tazominy azy irery ny Hasina fa ny Malagasy rehetra dia manana ny anjara Hasiny avokoa. Ny fitandroana ny Hasina no mahatonga ny Fady. Na ireo rehetra tsy azo atao sy tsy azo eritreretina akory. Manao alafady rehefa handingana olona ary sanatriavina mihitsy ny mandingana ny razana. Betsaka tany fady eto Madagasikara satria betsaka tany masina, hoy izy. Nanana ny anjara toerany lehibe tamin’ny Malagasy ny Razana izay namela antsika ny tany sy ny teny. Ny Tanindrazana dia lova, tsy tompony isika fa mpiandry ary manana adidy hampita amin’ireo taranaka sy faramandimby izany Tanindrazana izany. Fady ny mivarotra ny Tanindrazana. Niezaka mafy ny mpanjanaka nanapotika tamin’ny fomba rehetra ny kolontsaina sy ny sivilisasionina malagasy. Nataony izay nampisara-bazana antsika. Nolazainy fa diso isika fa nanompo sampy fa ny fivavahana sy ny finoany no marina nefa izy izao no maniratsira ny Baiboly. Nolazainy isika fa milalao tapakazo nefa ny ravinkazontsika ihany no naodiny nanaovana fanafody, hoy hatrany izy. Ny vakoka, ny rova, ny doany, ny fasan'ny mpanjaka no vavolombelona fa manana ny tantarany, manana ny Hasiny ny firenena malagasy. Koa ankehitriny, raha misy mitady hanota fady ny lapa sy ny fasan’ny mpanjaka nifandimby teto talohan’ny fanjanahantany dia tandidomin-doza ny firenena ary ahiana ho very Hasina tanteraka ny Malagasy, hoy hatrany i Paul Rabary, ka miantso ireo mpitondra izay mahatsiaro ho nomen’ny vahoaka hasina sy fahefana hamerina izay hasin’ny firenena izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.