Politique

Paul Rabary “Ny mpitondra indray no mitondra ny olany eo amin’ny vahoaka”


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Hitantsika izao, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, fa tsy misy andro na volana 1 isehoan-javatra amin’ny tambazotran-tserasera izay manahirana ny fijery azy raha fitondram-panjakana mijoro,

 mirindra, milamina. Marina, hoy izy, fa akaiky ny fifidianana. Efa miomankomana ny amin’ny ho tohin’ny aorian’ny 2023 ny rehetra fa na dia izany aza hita hoe sahirana ny fitondram-panjakana. Efa mizaka ny tseran’ny ainy ny vahoaka nefa etsy ankilany ny fitondram-panjakana mitondra zava-manahirana entina iadian-kevitra. Toy ny tsy misy mahafehy ilay tarika iray ao anatin’ny fitondrana. Minisitra mifanasa vangy eny amin’ny Facebook, tomponandraikitra manasa vangy olona eny amin’ny Facebook, minisitra enjehina eny amin’ny Facebook. Variana amina zavatra manidintsidina ilay fitondram-panjakana fa tsy miatrika olan’ny vahoaka. Fitondrana tsy mahatapa-kevitra na “impuissant” no fahitako azy. Tsy mahavaha olana dia lasa aty amin’ny fakan-drivotra na “recréation” aty. Tsy olan’ny olona ny olan’ny depiote na minisitra na fifanasam-bangin’ny samy ao anaty fitondram-panjakana. tsy olan’ny olona raha tsy afa-po amina minisitra iray ny depiote. Tsy any no olan’ny olona fa ny vidim-bary, ny tsy fandriampahalemana, ny lalana, ny famoaham-bokatra, ny fahasalamana. Satria tsy mahavaha izany ilay fitondram-panjakana dia lasa ny olana manokan’ireo mpitondra sy ny mpiaradia aminy no entiny eo anatrehan’ny vahoaka hoe vahao ny olanay mpitondra. Raha ny tokony ho izy dia ny mpitondra no mamaha ny olan’ny vahoaka. Ankehitriny anefa dia ny mifamadika amin’izay no mitranga. Na depiote na minisitra amiko mpitondra daholo. Ny mpitondra indray no mitondra ny olany eo amin’ny vahoaka nefa ny vahoaka raha ny tokony ho izy no manantena sy miandrandra ny mpitondra hamaha ny olana ara-toekarena sy sosialy. Manjary tsy hita be ihany izay ho lazaina satria na ianao mpitazana aza lasa manontany hoe fa inona ary ity! Na hanova governemanta isan’andro aza ka tsy mitondra ny mpitondra dia tsy andeha ny firenena. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy depiote iray manana olana amina olona iray dia ho avoakany any amin’ny Facebook? Tsy fanao! Ianao mpitondra tokony hamaha ka raha ianao indray no hiteny amin’ny vahoaka hoe tsy voavahako ity fa mba ampio aho dia ahoana izany ilay vahoaka tsy manam-pahefana hitondra? Tsy mahafantatra ny andraikiny sy toerana tokony hisy azy ny mpitondra fa zavatra hafa mihitsy no ataony izao ary isan-tsokajiny ilay izy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT