Politique

Paul Rabary Mitsikera an-dRajoelina


  • Alatsinainy 03 Desambra 2012

«Matahotra mafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina sy ny forongony». Io no nambaran’i Paul Rabary, mpadinika politika sy mpahay fiarahamonina, nandritra ny sabotsy alina teo, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny TV Plus Toliara.

 «Ny asan’ny tetezamita dia ny fampandehanan-draharaha sy fanomanana ary fanatanterahana fifidianana, fa tsy fanaovana fotodrafitrasa lazaina fa manara-penitra etsy sy eroa». Nivantam-piteny mihitsy ity mpandinika fiarahamonina ity, fa tsy ny vahoaka manontolo no hampiasa ny hopitaly manara-penitra sy ny tempolin’ny rugby ary ny Coliseum eny Antsonjombe. Fanontaniana no napetrany hoe «nahoana isika manam-bola ihany hanaovana fotodrafitrasa isan-karazany amin’izao tetezamita izao, nefa ny Gasy miha mahantra sy mifafa ny kihony hatrany ?».

Tsy niolaka mihitsy i Paul Rabary nilaza fa «ho fifidianana petatoko no hisy sy hatao eto satria tsy fantatra mazava na Repoblika fahatelo na fahefatra no hosafidiana». Misy dikany, hoy izy, ny nanambaran’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ny «Ni… Ni» iny, satria i Omer Beriziky irery ihany no atokisan’ny vondrona iraisam-pirenena. «Tsindry io ka tokony ho tonga saina Rajoelina ary tsy tokony hilatsaka fa hamorona krizy vaovao indray eto amin’ny firenena». Nasiany teny indraim-bava ny mikasika ny tsy fandriampahalemana mahazo laka amin’izao. «Noana ny Gasy ary tapi-dalan-kaleha, ka izany no antony iray lehibe mampirongatra ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa ary ny asa ratsy samihafa».

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT