Politique

Paul Rabary “Misy kolontsainana herisetra goavana eto”


  • Zoma 13 Novambra 2020

Fiarahamonina misy kolontsainana herisetra goavana be ny fiarahamonintsika, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Paul Rabary. Mila jerena manokana io. Isany ny kapoka amin’ny fitaizana ankizy mbola kely.

 

Ny resaka hoe rehefa tsy mitovy hevitra dia miainga ny totohondry. Kolontsainana herisetra koa ny hoe tsy fitoviana fijery politika no miteraka faty olona. Na io reseka dahalo io aza dia tadidio fa tao anaty fomba mihitsy taloha. Eo akaikin’izay dia nisy kolontsaina efa nivoatra teto Madagasikara fa ao anatin’ilay kolontsainana herisetra dia izay matanjaka izany no izy. Eo ny fiheverana fa ny lehibe no manapaka sy mandidy ny fiainan’ny ankizy. Fony izao tao amin’ny minisitera dia tsaroako tsara fa ny ankizy mipetraka amin’ny tany ary ny tomponandraikitra mitiritirina eny ambony lampihazo na koa hoe handalo ny filohan’ny repoblika dia aza avela mianatra ny ankizy fa aleo hitsena ny filoha. Taratr’izay ilay resaka fanolanana satria fomba fisehona herisetra amin’ny fifandraisana ara-nofo tsy misy fankatoavana io. Eo koa ny fanaovana tsinontsinona ilay ankizy. Ireo 2 ireo no tsy maintsy ezahana ovaina miandalana sy ampahafantarina ny olona. Miainga amin’ny olona manana fahefana ny fampahafantarana izany mba tsy hisehoany intsony fa misy lanjany noho ny tsy manana fahefana izy. Mila averina ny fatokisan’ny vahoaka ny fanjakana eo amin’ny famerenana ny fandriampahalemana ary mila averina koa ny hasin’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny fampitaovana azy ireo sy ny fanasaziana azy ireo raha mivoana. Sarotra izay fa mila aseho amin’ny vahoaka hoe tsy natao hanao herisetra ny olona ary afaka manitsy ny rehetra ny mpitondra, hoy hatrany ity mpahaifiarahamonina ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT