Diso be ny filazan’ny mpanohitra fa mitady seza aho, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary, satria tsy izaho no miantso mpanao gazety fa ny mpanao gazety no miantso ahy amin’ny maha mpamakafaka raharaham-pirenena ahy dia omeko azy ireo ny fahitako izany.
Efa averiko ombieny ombieny, hoy izy, fa sady tsy mpitondra aho no tsy mpanohitra fa mpanao famakafakana. Matoa aho nilatsaka hifaninana tamin’ny mpitondra tamin’izany fotoana dia tsy hiaraka amin’ny mpitondra aho aloha izay. Tsy afaka ny hanohitra koa aho satria tsy misy antony tokony hanoherako ny fitondrana. Izaho mpiasam-panjakana. Lehibeko daholo izay mpitondra tonga rehetra eo. Afangaron’ny mpanao politika ny asana mpamakafaka sy asana mpanao politika. Teren’ny mpanao politika izany ny olona na hanohitra na hitondra. Olany izany fa tsy ahy. Mamakafaka no asako. Mampianatra amin’ny maha mpampianatra sosiolojia politika ahy. Tsy olako na iza na iza governemanta eo satria tsy hiditra anaty governemanta aho. Ahoana aho no terenao tsy maintsy hanohitra na hanohana? Mikasika ny fahafahan’ny fitondrana ankehitriny na tsy fahafahany mitondra vahaolana maharitra eto amin’ny firenena dia tsy hitako aloha hoe ananany izay sa tsia satria mbola tsy vita ny fotoam-piasany. Hatreto aloha dia miara-mahita isika fa mamono afo no tena ataon’ny mpitondra. Anjarany no mihetsika hoe mbola hamono afo foana ve sa hitondra zava-baovao ho an’ny firenena? Ny vahoaka no hitsara izay amin’ny fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.