Politique

Paul Rabary “Izay mitondra resaka mirefarefa no lasa andrasan’ny vahoaka”


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Tsy miroso amin’ny fitondrana jadona i Madagasikara ary tsy hisy intsony eto Madagasikara, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, taorian’ny hetsika 1991.

Tapitra teo ny fitondrana jadona, hoy izy, fa ny ady amin’ny politika kosa misy foana. Sarotra be ny hiverenan’ny tahan’ny isan’ny mpifidy satria mitovy foana ny vokatra na vitsy na maro ny ho mpifidy eo. Be loatra ny mpifidy tsy mianatra sy azo lazaina hoe tsy mivaky loha amin’ny votoatin’ny resaka politika fa ny ankabeazan’ny mpifidy eto Madagasikara, noho ny tsy fahaizany, ny fahasahiranany, ny fahadondronany, ny fahavendranany dia tsy miraharaha izany politika izany. Tsy misy adihevitra politika azo atao eto Madagasikara rehefa toy izay ny heritreritry ny mpifidy hoe T shirt, fetifety, tolotolotra. Ny kalitaon’ny mpifidy eto Madagasikara mihitsy no ambany dia ambany ka tsy misy dikany loatra intsony ny mifidy eto. Anaty fifidianana misy zavatra roa dia ny mpifidy sy ny olona fidiana. Niha betsaka kokoa ny tahan’ny olona tsy mivaky loha amin’izany resaka fifidianana izany fa lasa mifantoka amin’ny fiainana an-davan’andro, araka ny nambarako teo, noho ny fahantrana, ny tsy fianarana, ny tsy famakafakana, ny olana isan’andro. Rehefa tonga ilay olona ho fidiana dia ny anontaniany voalohany, niainako sy hitako izany, dia hoe aiza ny T Shirt anay fa tsy resaka politikanao ohatran’ny tamin’ny taona 1975 na 1980 intsony. Izay foana no itenenako hoe “1er tour dia vita io” fa ianareo moa tsy mety mahita an’izay. Tsy mivaky loha izay mpitondra eo hoe iza na iza ny ankamaroan’ny vahoaka. Tsy mivaky loha izay praograman’ilay mpitondra eo hoe mety ve sa tsia? Ity vary ity ve afarana sa ambolena? Tsy any ny olan’ilay mpifidy satria ambany loatra ny fahaizan’ilay malagasy sy ny famakafakany noho izy sahirana sy tsy nianatra dia ny lanjan’ilay fahantrana no fidiantsika any amin’ny fifidianana. Na hanao tolotra farany tsara aza ilay kandida ka tsy mitondra T Shirt sy artista ary tolotolotra dia tsy raharahian’ny vahoaka. Ilay zavatra andrasan’ilay vahoaka mihitsy no ambany dia ambany dia izay mpitondra afaka mitondra an’izay na izay mpanao politika mitondra resaka mirefarefa amin’ny tany miaraka amin’ny vahoaka no lany sy lasa andrasan’ny vahoaka. Izay mpitondra na mpanao politika te hampiakatra ambony ny resaka dia ataony hoe izahay sahirana, omeo vola, T Shirt fa aza resahana politika. Any no olana. Inona izao no nentin’ny kianja manara-penitra miisa 30 amin’ny ekonomian’I Madagasikara? Tsy voavaha anio izany olana rehetra izany fa tena sokajin-taona na “generation” iray na roa mihitsy, hoy hatrany I Paul Rabary.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT