Politique

Paul Rabary “Efa misy olona fahatelo matanjaka any”


  • Zoma 10 Septambra 2021

Miaina toe-draharaha mialoha fifidianana isika ankehitriny, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Samy miatrika ny fifidianana 2023 ny rehetra, hoy izy.

 Miezaka amin’ny lafiny rehetra na ny mpanohitra na ny mpitondra miomana. Tsy miady an-trano ny mpitondra fa misy fifaninanana henjana be ao. Raha ny tokony ho izy tsy afaka hilatsaka intsony ny filohan’ny repoblika aorian’ny 2028.Izany hoe vao ho lany izy ny taona 2023 dia mila olona vaovao zareo ho eo amin’ny fitondrana amin’ny 5 taona manaraka. Izay io adihevitra be io. Mifaninana anatiny izy ireo hoe iza no handimby ny filoha ankehitriny raha lany amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izy satria tsy afaka hanao fahatelo? Heritreretina foana ny resaka fampandrosoana fa ny politika koa dia fifaninanan’ny olona ao anatiny. Tadidio tsara fa ny olona mpifaninana voalohany ao anatina antoko iray dia tsy ivelan’ny trano akory fa ny ao anaty trano. Tsara ho an’ny demokrasia izany. Toy izany koa io “Miara manonja” anankiroa ao amin’ny mpanohitra io. Misy mieritreritra ao fa tsy ho lany intsony ny filoha Ravalomanana. Faharoa hoe na lany eo aza izy dia tsy afaka hanao fe-potoana faharoa fa io no farany dia misintaka koa noho izany ny sasany. Anaty lojika politika ny aorian’ny filoha Rajoelina sy Ravalomanana. Efa samy mitady lalana daholo ankehitriny ireo hitsinjovana ilay 5 taona manaraka. Tsy ny fifidianana 2023 izany no mahatonga izao zava-miseho izao fa ny 2028. Ny amin’ny taona 2028 izany dia tsy izy mirahalahy intsony no hifanehitra. Izao aza milaza anareo fa misy olona fahatelo matanjaka hipoitra amin’ny ora tsy ampoizina izay efa hitakitako moa saingy tsy afaka hiteny aho hoe iza na iza fa ny hita aloha dia efa mihetsiketsika sy manao asa lalina na “travaille de fond” io olona io ary matoa mizara roa io “Miara-manonja” io dia kandida matanjaka io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT