Naneho ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sy kandidà nilatsaka ho filoham-pirenena tamin’ny 2018.
Nanaiky sy nanaraka ny fitsipika rehetra napetraka, nitandro ny fandaminana ary nanaiky sy nankato ny voka-pifidianana navoakan’nyCENI sy ny HCC dia gaga sy talanjona amin’ireny fanambarana hafahafa navoakan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny CENI ireny, hoy izy. Aoka tsy horaisina ho kilalao ny fiainam-pirenena fa efa sahirana vao nahita fitoniana teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009. Aoka tsy ny olona tompon’andraikitra sy natokisana hitantana ny fifidianana madio sy mangarahara no hamoa-tsampona ka hilaza fa ny fifidianana izay nokarakarainy dia tsy lavorary ary feno tandrevaka, hoy ihany i Paul Rabary. Nomarihany kosa fa fotoana angamba hanovana tanteraka ny olona sy ny fomba fiasa eo anivon’ny CENI izao satria dia manalabaraka ny firenena sy fanaovana tsinontsinona na ny mpifidy na ny mpilatsaka hofidiana ny zavatra sahala amin’ireny. Mila fitondrana marin-toerana ny firenena koa tokony ho mendrika ny fahatokisana napetraka taminy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CENI, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.