Politique

Paul Rabary “Aoka izay ny fakan-tahaka”


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Misy fiantraikany lehibe teo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy iny Coronavirus iny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

 

Mila jerena manokana ny fahafahana mamerina amin’ny laoniny ny toekarena Malagasy, indrindra, ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny vahoaka satria raha jerena ny sandam-bola dia mitotongana izay tsy izy ny vola Malagasy. Tsy maintsy hisy fiatraikany amin’ny fahefa-mividin’ny aty vilanin’ny vahoaka io. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mijery ny fahafaha-mitazona fara-faharatsiny ny sandam-bola Malagasy. Misy lafiny 3 tsy maintsy jerena amin’io. Eo ny famokarana fanondranam-bola makany ivelany. Amin’ny alalan’ny vokatra fanondrana eto io. Eo koa ny fidiran’ny mpizaha tany izay mitondra vola vahiny maketo. Sarotra io raha hatramin’ny 2021 aloha. Fahatelo dia ny fampiasan’ny avy any ivelany ny volany eto. Mila jerena amin’izay ny resaka hetra satria mavesatra amin’ny orinasa Malagasy io. Ny kere akory tsy vao izao fa efa olana ara-kolotsaina efa ela io. Mbola hihamafy ary io amin’ny fiakaran’ny maripana eran’izao tontolo izao. Tsy vitan’ny fihetsiketsehana io fa mila fampiasam-bola goavana satria tsy hiala amin’ny tanindrazany ireo olona ireo. Raha jerena, ohatra, iny Ambovombe iny dia 10 kilaometatra vitsy dia efa ranomasina. Aty amin’ny faritra Anosy koa maitso mavana. Faritra androy izany no tena misy olana ka tsy maintsy amin’ny alalan’ny “pipeline” no hanaovana an’io. Eo koa ny fitrandrahana toy ny “forage” fa tsy ho tonga rahampitso ny maitso ahitra ary tsy olona kamo akory no any fa tsy mahafoy ny tanindrazany nefa tsy misy orana. Io resaka faritra faha 23 io koa, hoy hatrany ny tenany, dia tena asanay mpahaifiarahamonina ny mamakafaka azy. Tadidio fa nisy teti-panoron’ny frantsay ny nanaovana ny faritany 6. Ny faritra tany Frantsa koa 22 vao nivadika 11. Aoka izay, hoy izy, ny fakan-tahaka frantsay fa jereo ny hetahetan’ny Malagasy.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT