Tadidio fa ny tantaran’ny vaomiera misahana ny fifidianana na CENI dia natsangana noho ny filazan’ny mpanohitra tamin’ny fotoan’androny fa tsy azo atokisana hikarakara fifidianana ny fanjakana,
hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Aty amin’ny tany afrikanina ihany no misy CENI, hoy izy. Ny tsy fifampitokisan’ny mpanohitra sy mpitondra nifandimby, satria samy ifandimbiasana ireo, no nahatonga ilay CENI. Any Frantsa, Etazonia, Alemanina sy ny hafa dia minisiteran’ny atitany no mikarakara fifidianana. Tanjona dia hoe mahaleotena amin’ny fanjakana ny CENI. Nikarakara fifidianana io nanomboka ny tetezamita 2013 tamin’ny alalan’ny CENIT sy 2018. Raha ho foanana ny CENI sy HCC dia inona no hikarakara fifidianana? Raha tsy ho foanana dia inona no ovana amin’io lalampanorenana sy lalam-pifidianana io hanova ilay olona? Na hiodin-kavia na havanana dia tsy maintsy ny rafitra misy no afaka manendry eo. Resy eo amin’ny lafiny varotra na “marketing electoral” ny mpanohitra na inona na inona fahatezeran’ny olona. Mifikitra fotsiny amin’ilay hoe vidim-piainana tsy mandeha amin’izay laoniny, JIRAMA tapaka, delestazy sy ny hafa ho amidy amin’ny vahoaka ny mpanohitra dia ny mpitondra mivarotra ilay hoe izahay nahavita Kianja Barea, kianja manara-penitra, hopitaly manara-penitra, EPP manara-penitra. Fantatro sy niainako ny fomba fiheritreretan’ny Malagasy rehefa mifidy. Nilatsaka filohan’ny repoblika aho. Tsy nihoatra ny 50.000 isa akory ny vato azoko nefa aho nampiditra mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana miisa 40.000. Niova ny fiainan’ireo 40.000 ireo fa tsy hoe rehefa izaho no nanova ny fiainan’ireo dia tsy maintsy hifidy ahy izy. Izay ilay tsy azon’ny olona. malalaka izy na niova aza ny fiainany. Ny toetsaim-pifidianan’ny Malagasy no mahatonga ilay tranga. Ilay fiainany nandray 110.000 ariary lasa nandray 200.000 ariary tsy afaka hanereko azy hifidy ahy ary tsy omeko tsiny izy raha tsy nifidy ahy fa izay kosa dia nahamantarako hoe ny andrasan’ny olona rehefa fifidianana izany dia T Shirt, artista, fety, fampanantenana izay tsy afaka ho entiko. Izaho izao niteny hoe tokony ho foanana eny amin’ny oniversite ny “bourse” mba hanomezana fampitaovana ny oniversite satria na ny jiro ety aza tsy mirehitra. Tsy hisy kandida hilaza izany. Efa nanohitra ny mpitondra hatramin’izay ny vahoaka fa rehefa tonga ny fifidianana dia adinony daholo ny olana.
METY HITOMBO NY TSY HIFIDY
Mety hitombo ny olona tsy hifidy. Izaho izao dia tsy vonona ny hifidy intsony amin’ny taona 2023 satria fantatro hoe tsy ny vatoko no hampiova na tsy hampiova ilay izy. Ireo be tsy miteny na “majorité silencieuse” dia olona miheritreritra fa tsy politika intsony no hanova ny fiainany ary tsy ny vatony no hanova ny zavatra eto Madagasikara. Ny fifidianana ben’ny tanana farany teo teto Antananarivo dia hitanareo fa vitsy olona. Ireo vitsy an’isa mihetsiketsika satria manana filana na “minorité agissante” satria manana filana hionganan’ny mpitondra ny mpanohitra ary ny mpitondra manana filana handray fitondrana dia ireo mpomba azy ireo sisa no nandray anjara fa ny vahoaka dia ny hamahany ny olany anio aloha no zava-dehibe aminy. Ny dikan’izay dia hoe tsy manantena na inona na inona amin’ny fitondram-panjakana amin’ny adim-piainany isan’andro intsony ny olona, hoy hatrany I Paul Rabary.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.