Mafana tokoa ny adihevitra mikasika ny volavolan-tetibolam-panjakana 2013 ety amin’ny Kongresin’ny tetezamita ankehitriny, hoy ny CT Paul M’Pody mpitarika ny antoko RDR.
Raha jerena maimaika, hoy izy, dia nihena avokoa ny tetibola hampiasain’ny andrimpanjakana rehetra afa-tsy ny an’ny ministeran’ny tetibola. Ara-dalàna izany aminay, hoy ity CT ity, satria ao anaty krizy isika izao, ka raha mitombo ny tetibola dia hidangana ny fitakian-ketra izay hihatra mivantana any amin’ny vahoaka. Aminay RDR, hoy ny filoha nasionaliny, dia tsy haharitra intsony ity tetezamita ity satria tsy ankatoavin’ny Iraisam-pirenena. Tsy maintsy hisy, araka izany, hoy ny CT Paul M’pody, ny tetezamita faha-4 handimby ireo telo voalohany, tetezamita voalohany tamin’ny 2009 nananganana ny HAT, ny tetezamita faharoa niainga avy amin’ny hetsiky ny CNOSC ka nametrahana tamin’ny toerana ny CST sy CT ary ny fahatelo dia ny tetezamita niainga avy amin’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana, dia mbola i Andry Rajoelina ihany no hitantana izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.