Politique

Paul Kagame hireharehan-dRajoelina Ny politikan-dRavalo no akaiky azy…


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Hireharehan’Atoa Andry Rajoelina mafy ny hahatongavan’ny filoha Rwandais Paul Kagame eto Madagasikara, ary efa manomboka harantiranty eran’ny tanàna, toy ny eny Ankorondrano ny sariny.

 

 

 Ho avy hanatrika ny fankalazana ny faha-59 nahazoantsika fahaleovantena izy. Tsara, ary mila maka lesona aminy isika. Raha ny lalana nizorana sy ny politikam-pitondrana anefa dia mifanipaka tanteraka i Paul Kagame sy Andry Rajoelina. Nosafidian’ny Parlemanta ho filohan’i Rwanda i Paul Kagame ny 17 aprily 2000 ary voafidim-bahoaka ny 25 aogositra 2003 nitohy ny 2010 sy 2017. Sarotiny tamin’ny fanjakazakan’ny vahiny, toy ny Frantsay. Nataony ho teny ofisialy ny teny Anglisy, izay naharatsy fifandraisana aminy tamin’i Lafrantsa, fa vao roa taona eo no nilamindamina. Ny fampidirana ny teny Anglisy ho anisan’ny teny ofisialy no nanonganana an-dRavalomanana tamin’ny 2009, ka i Andry Rajoelina no nampiasaina satria matahotra ny ho very fihinanana ny Frantsay. Raha 66/180 ny laharan’i Rwanda tamin’ny ady amin’ny kolikoly ny taona 2010, dia 48/180 taty amin’ny taona 2018. Nametraka ny Bianco Ravalomanana ny taona 2004. Laharana 84/180 ny taona 2008, saingy taty amin’ny taona 2013 nialan’ny mpanongam-panjakana, dia faha-127 ary ankehitriny kosa faha-152. Napetraky ny ONUDI  (Organisation des Nations Unies pour le Dévéloppement Industriel) ho filamatra i Madagasikara tamin’ny any, saingy lasa ao anatin’ny 5 mahantra indrindra rehefa tonga ny mpanongam-panjakana. Nampiaiky an’i Afrika sy izao tontolo izao ny fahaiza-manaon-dRavalomanana, ka taty amin’ny 2017 dia voafidy ho olon’i Afrika. Tsy mpitsiriritra an’i Rwanda sy i Paul Kagame isika fa notsiriritin’ny hafa raha tsy nisy ny mpandrava efa tamin’ny 2009.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT