Raha mijery ny tantara Romanina isika, na ny tantaran'ny Jody, na ny mety
akaiky ny maro dia ny tantaran'i Jesoa Kristy, izay andraisana ny fikajiana ny taona, dia efa nikiraro avokoa ny olona tamin'izany. Efa natsaka teo amin'ny vovo. Isika 2000 taona aorian'i Kristy mbola tsy mikiraro, maro no tsy manana vovo fatsakana, ao ireo mbola misotro rano-potaka ; ranon’ny Jirama vidiana mbola feno loto sy fotaka. Tsy resahina ireo any atsimo maka rano amin'ny arabe amin'ny fotaka. Mbola tapitra mahandro amin'ny kitay sy saribao ny 99% n'ny Malagasy. Mbola ampianarina ary anaovana andro iraisam-pirenena ny fanasana tanana. Tara 2000 taona mihitsy isika raha oharina amin'ny fandrosoan'ireo firenen-kafa fa tsy tara 60 taona fotsiny, hoy i Patrick Raharimanana .Izy efa nanana lalana rarivato, trano miezinezina, colisée, tsena ara-dalàna, angadin'omby sy hersa fambolena 2000 taona lasa izay. Isika mbola angady mondro no iasana tany ny ankamaroany amin’izao taona 2020 izao. Izy moa ve tsy hanana olona nahantra, fa ny fandrosoany 2000 taona lasa mbola tsy tratrantsika akory ? Rah ate hanambony môraly, dia andeha atao hoe manana aterineto angaha isika ankehitriny na mahantra fadiranovana aza, fa ry zareo mbola papyrus sy voromahailala no nandefasany hafatra tamin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Patrick Raharimanana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.