Lasa resabe ity “digitalisation” ity tato ho ato, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana. Fahazoan-dalana mamily biometrika, taratasim-piara biometrika, karinem-pokotany, fandraketana an-tsolosaina ireo antotan’isa na “digitalisation” sy ny hafa, hoy izy.
Mora ankehitriny na ny fikarohana na ny fandaminana na ny fitehirizana ireo antotan-kevitra ary tsy ilana fanimbana ny ala hanamboarana taratasy intsony. Anisan'ny zava-dehibe anefa ny fiarovana ireo antotan-kevitra ireo satria dia maro ihany koa ireo mpahay informatika no mahay mamaky trano. Tsy azo apetraka eo an-tanan'ny vahiny koa izany ny antotan-kevitra saropady toy izany. Ny tanjona moa dia ny hoe olona iray dia azo fantarina ny momba azy, ny anarany, fanampiny, halavany, ny sariny, ny fahasalamany, ny asany, ny toerana misy azy, ny fonenany, ny ray sy reny niteraka azy, ny zanany, ny fananany sy ny hafa rehetra. Ady hevitra ara-piarahamonina io izany, hoe ny olombelona dia manana ny fahalalahany ka tsy tokony fepehezina sy fantarina ny zavatra ataony sy ny momba azy. Etsy ankilany anefa, olom-pirenena izy, ka mila fantatry ny fanjakana ny olona rehetra monina sy miaina amin'ny firenena iray. Marina fa misy ny olana teo amin'ny resaka doublon tamin'ny lisim-pifidianana. Nitranga ihany koa ny olona tamin'ny fitsinjarana ireo sosialim-bahoaka tamin'ny vatsy tsinjo sy tosika fameno. Mampirisika ny mpitondra hiroso lalina kokoa ary hanao zavatra tena manarapenitra. Misy 150 000 000 dolara, rahateo notrosaina tamin'ny baky iraisam-pirenena hoy ny filoham-pirenena hikarakarana izany “digitalisation” izany. Soloy “carte électronique” io vola taratasy sady mpitondra aretina no maha be kolikoly ary tsy mampisy fandriampahalemena io. Hitombo 75% avy hatrany ny hetra miditra eto amin'ny firenena fa tsy hijanona 15% intsony. Omeo ny fokontany ny 50% n'ny tetibola vao mampiasa ny “carte électronique” ny tsirairay hividianana zavatra. Avy dia mandeha any amin'ny kaontin'ilay fokontany nividianana ilay entana ny anjaran'ny fokontany. 25% omena ny Kaominina, 15% omena ny faritra izay tsinjaraina 3, avaratra, afovoany, atsimo, 10% ho an'ny foibe, hoy hatrany ny teorian’ity mpamakafaka ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.