Nandinika ny sarin'ny Filoham-pirenena nitsena ireo fitaovana nafarana avy any ivelany entina hitsaboana marary dia lasa ny saiko, hoy ny filohan’ny antoko politika Vitantsika io, Patrick Raharimanana ary tena nalahelo azy aho. Navoaka tao anaty fiaramanidina ny entana,
nobataina notaterina tao amin'ny “Salon”, navoaka tanaty baoritra ny entana sasany, dia naranty nalahadahatra mifanongoa mihitsy, navoaka ireo fitaovana madinika, dia nalahadahatra mitovy isa. Dia nalaina ny polipitra sy fanamafisam-peo sy ny sainam-pirenena. Dia niandry ny filoha nikabary, naka sary miaraka amin'ireto fitaovana nafarana. Tsy misy maharatsy an'izany fa ny endrika hitako ary nalahelo azy aho hoe dia filoham-pirenena ve dia lasa mpitsena entana? Ny minisitra lasa mpanao fanisam-bahoaka sy mpizara arotava eny an-tsena. Asa ry Donald Trump sy Macron na ry Xi Jinping raha mitsena entana eny amin'ny seranam-piaramanidina. Angaha Filoham-pirenena avy any ivelany io ka ny Filoham-pirenena no tsy maintsy hitsena izany eny Ivato? Naninona raha avy dia nentina ny entana, dia tany amin'ny fizarana azy vao nandeha ny Filoha? Tsy ny entana amin'izay no tsenaina, fa ireo dokotera sy mpitsabo ary marary mila ilay fitaovana no hankaherezin'ny Filoham-pirenena mitondra entana. Aza lany andro amin'ny resaka “com” sy “image” fa ny asa tsara vita no mipetraka hatrany. Tsy mila ankalazaina be akory aza izany fa misongadina ho azy eny. Aleo mifantoka amin'ny tena andraikitry ny Filoham-pirenena, ny andraikitry ny minisitra sy ny Governemanta, omeo andraikitra ny sampana rehetra ao amin'ny ministera, eny amin'ny Faritra, Kaominina ary ny Fokontany, fa tsy sady hanao dokera no hizara vary. Mankahery ny filoha hatrany na dia izany ary aoka ianareo ao anatiny tsy be ketrika hanongana azy, hoy hatrany i Patrick Raharimanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.