Nofoanan’ny Koaminina tampoka ny fahazoan-dalana efa nomeny ny fikambanana «Vitatsika io» tarihin’i Patrick Raharimanana, izay nikasa hanao hetsika ara-tsosaly sy ara-toekarena miharo kolontsaina etsy amin’ny Stade Annexe Mahamasina amin’ny alahady 18 novambra ho avy izao.
Nisy nandrovitra ireo afisy fampilazana io hetsika io, toy izany nanala koa ny «banderole» nihatona tamin’ny toerana talakimaso sasantsasany teto an-drenivohitra. Misy fiara Golf mainty, tsikaritry ny mpikambana «Vitatsika io» nanao io famotehana io.
Miseho lany indray, araka izany, ny antsojay sy ny fingampingana atao amin’ireo efa nitonona ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Efa tamin’ny 2010 mantsy i Patrick Raharimanana no fantatra fa hirotsaka hofidiana, ary mbola nanamafy izany izy nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao amin’ny Maison Blanche Ivandry misy ny foiben-toeran’ny «Vitatsika io», ny sabotsy 10 novambra teo. Misy ireo mpiara-miombon’antoka, eto an-toerana sy avy any ivelany, efa naneho ny fahavononana hiara-hiasa aminy, toa an-dry zareo Maorisiana, izay efa nahavitany fifanarahana eo amin’ny famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro, tetikasa izay hamorona asa ho an’ny Malagasy.
Lanonana fisantarana izay tetikasa famoronana asa ho an’ny rehetra izay indrindra no anton’ilay hetsika saika hataon’ny fikambanan’ i Patrick Raharimanana etsy amin’ny Stade Annexe Mahamasina amin’ny alahady 18 novambra io, saingy dia nofoanan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra tampoka ny 14 novambra teo ny fahazoan-dalana efa nomeny azy tamin’ny 11 oktobra 2012, fa hoe “noho ny fitorian’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra ny tanànan’Antananarivo sy ny fisian’ny Poule des AS ka ampiasana ny kianja monisipaly Mahamasina manontolo”. Ny Kaominina anefa no tompon’ny fotodrafitrasa sy manome alalana na tsia izay mangataka ny hampiasa azy ka mba mahakely finoana ihany raha izy tompony indray no hoe misy mitory, raha nisy tokoa izany. Fa raha izao fisehony izao aloha dia manahy ny maro fa dia ho lalao maloto no hitranga eto rehefa tena raikitra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho avy eo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.