Ny zava-misy eto Madagasikara, dia tsy maintsy miainga eto Antananarivo avokoa ny zavatra rehetra,
hatramin'ny takom-bava izay farany bitika, hoy Atoa Patrick Raharimanana izay efa kandida Filoham-pirenena. Ahoana moa no tsy hiparitaka ny aretina? Ny TDR na ilay fanaovana “test rapide” tsy manana akory ny faritra sy ny hopitaly rehetra. Raha mba mananana aza dia vitsy, dia ilay olona misy soritr'aretina ihany no vita fitiliana na test fa ireo nifampikasoka taminy alefa mody fotsiny. Mbola alefa aty Antananarivo indray ny “prélèvement” atao test PCR eny amin’ny IPM, izay mbola ilana kisa ihany koa. Izy anefa tsy mahavita “analyse” mihoatra ny 150 monja isan'andro. Ambatovy nahavita fitiliana 500 efa firy andro tsy tonga ny valin'ny fitiliana, satria miandry an'Antananarivo. Antalaha misy ekipazy amina sambo iray manontolo atoka-monina, satria 3 ihany no vitan'ny TDR, miandry an'Antananarivo. Hanangana Laboratoara sy Ozinina ny fanjakana, tsara be izany, fa azo antoka fa mbola Antananarivo ihany, kanefa Antananarivo na ravina artemesia aza tsy mbola hitan'ny masony akory. Avelao ny faritra no hitantana ny fananany, fa tsy Antananarivo avokoa no hanome “permis de pêche”, izay amidy atao kolikoly 3 tapitrisa dolara ho an'ny sambo iray… Apetraho ny tena fitsinjarana andraikira isaky ny Fokontany na Loharano, izay atao anarany, izay atao fototry ny fampandrosoana. 50% n'ny teti-bola tsinjarao amin'ny Fokontany miisa 18 000. Ny 25% omeo ny Firaisana na Kaominina 1600. Ny 15% omeo ny Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo, ary 10% ho an'ny Foibe, hoy ny ampahany tamin’ny soso-kevitr’i Patrick Raharimanana.
Toky Rny zanaka anadahin’’
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.