Patrice Ratsimbason

> «Miandrandra fivoarana ny vahoaka fa lanaky ny krizy»


  • Alakamisy 06 Martsa 2014

«Mikatso ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana noho ny tsy fisian’ny fampihavanana tena izy», hoy ny mpikambana teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita teo aloha, Atoa Ratsimbason Patrice manoloana ny fiandrasana ny fanendrena ny Praiminisitra amin’izao fotoana.

Notsahiviny fa anisan’ny nivoy ny resaka fampihavanam-pirenena ihany koa ny tenany nialoha ny fifidianana. Betsaka mantsy teo aloha no niady ny hanatanterahana ny fifidianana mba hisian’ny fitoniana kanefa dia izao hiaraha-mahita izao ny vokany, izany hoe tokony ho nipetraka ny fifanarahana politika sy ny fampihavanana vao nirosoana ny fifidianana. Betsaka ny lalàna napetraka mba ho aro riaka, hoy izy saingy tsy nahavaha olana izany ary ny fandikana ny lalàna aza samy manana ny azy ary betsaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna. Mbola naveriny indray fa ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony dia nanana fandaharan’asa maro nandresena lahatra ny vahoaka matoa voafidy izy, ka olona afaka hanatanteraka izany no tokony ho Praiminisitra fa tsy izay atolotry izatsy sy izaroa akory. Aminy rehefa voafidy ny filoham-pirenena dia izay hanampiana azy amin’ny fandaharan’asany no hotadiavina fa tsy fingampingana intsony satria efa nolazaina fa izay voafidy eo dia filohan’ny Malagasy rehetra satria mitarazoka ny raharaham-pirenena. Fa nitondran’Atoa Ratsimbason Patrice fanamarihana fa mety hanova zavatra be dia be ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ny HCC farany teo satria izy dia efa nilaza tany aloha fa tsy tokony harahina ny tenin’ireo mpikambana teo aloha ireo satria efa lany andro izy ireo ka midika izany fa efa tsy ara-dalàna izy ireo kanefa lalàna no resahina ka dia nety iny fepetra noraisin’ny filoham-pirenena iny. Ny tenany manokana moa dia matoky tanteraka ny fahendren’ny filoham-pirenena amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny amin’io fanandrena ny olona eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra io ho fitsinjovana ireo vahoaka madinika izay efa tena miandrandra fivoarana mafy fa lanaky ny krizy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT