Ny valan’aretina Covid 19 amin’izao no fahavalo iombonana tokony horesena hoy pastera Mailhol,
filoha mpanorina ny fiangonana Apokalispy eto Madagasikara. Vao miandoha mantsy ny volana Janoary dia efa mihoatra ny 500 isa ireo olona voa. Tsy izay anefa no zava-misy hoy izy satria miha-mamaivay ny zava-misy eto amin’ny firenena. Samy manao izay saim-pantany ny mpanohitra sy ny mpitondra ka ahiana ny mety hisian’ny korontana sy ny fahapotehana. Tsy ho zakan’ny vahoaka intsony anefa hoy izy raha hiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid 19 isika no sady hisy hanonganam-panjakana eto amin’ny firenena. Fanonganam-panjakana izay nomarihiny manokana tsy nitondra na inona na inona teto amin’ny firenena mihitsy fa vao mainka nampahantra ny Malagasy sy nampitontongana ny fari-piainan’ny maro aza. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra ny tenany mba hifanatona hiara-hikaro-bahaolana. Ekena hoy izy fa mpanohitra ny antoko GFFM ( Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara), antoko politika izay misy azy saingy tsy manohitra fahatany be kosa izy ireo. Rehefa mety hoy izy ny zavatra hataon’ny Fitondram-panjakana dia ekenay izany fa rehefa tsy mety kosa dia tsy maintsy mijoro izahay. Ireo Raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM sy ny CFM moa no handrandrainy hanatanteraka izany fifanatonana izany. Ankoatra izay dia niarahaba an’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, filohan’ny FFKM vaovao ihany pastera Mailhol ary nirary soa ho azy mba hahavitabe amin’izany andraikitra makadiry sahaniny izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.